Mois : mai 2023

AFD-MEF: tohana ho an’ny fitantanana tsara ny volam-panjakana

Natao sonia, omaly, ny fifanarahana eo amin’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD) sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola. Tohana entina hanatsarana ny fandrindrana sy ny fanatanterahana ny tetibolam-panjakana. Taorian’ny tombana ny taona 2013, natao ny taona 2016 ny famolavolana ny drafitrasa hanavaozana ny fitantanana ny volam-panjakana (PSMGFP), mandritra […]

Lycée Rabearivelo sy Ivandry : liana tamin’ny fitaterana an-tariby ireo mpianatra

Nisitraka ny fampahafantarana ny momba ny fitaterana an-tariby na ny téléphérique ny mpianatra tao amin’ny Lycée Rabearivelo sy ny teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo. Izy ireo rahateo no sekoly manakaiky ny pylônes sy ny gara ka mendrika ny hahafantatra ny mikasika ity fitaterana vaovao ity. Nahaliana ireo mpianatra ny […]

CUA – MVBA : 300 ireo nizaha fahasalamana maimaimpoana

Mifarana androany, eny Manarintsoa Afovoany, ny hetsika telo andron’ny fahasalamana manakaiky vahoaka. Iarahan’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra sy ny fikambanana Manjaka vintana Béton Armé (MVBA). Mahe­rin’ny 300 ireo nizaha fahasalamana maimaimpoana teny an-toerana, nandritra ny roa andro. “Tsy manana fahefa-mividy hanatonana toeram-pitsaboana ny ankamaroan’ny olona ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy […]

Plumpy sup sy plumpy nUt: tafajoro ny komity marolafy hiady amin’ny fivarotana azy

Misy mivarotra ny Plumpy sup sy plumpy nut, izay natao hozaraina maimaim-poana. Manolona izany, nandray andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tafajoro, omaly, teny Andavamamba ny ko­mity marolafy hiadiana amin’ny fivarotana an-tsokosoko ireo sakafo fanafody sy fanafody maro tokony homena maimaimpoana ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Mpikambana ao avokoa ny minisitera voakasika, […]

Fokontany Amparibe : vatobe nianjera tamin’ny tranon’olona

Nisy tranga fianjerana vatobe teny Ambatovinaky, fokontany Amparibe, ny alahady teo, taorian’ny orana nikija, raha ny tatitry ny BNGRC. Nanimba tranon’olona ny loza ka tsy maintsy nifindra toerana ny tompon-trano sy ny manodidina. Ni­dina ifotony ny ekipan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), sy ny filohan’ny fokontany […]