Mois : mai 2023

Faritra Sofia: notohanana ara-pitaovana ireo tomponandraikitra eny ifotony

Nahazo ny fitaovana mifanaraka amin’ny andraikiny avy ireo mpitantana eny ifotony sy ny hery mampihodina ny fiainam-bahoaka ao amin’ny faritra Sofia. Nizara fitaovana maro ho an’ny mpitantana eny ifotony ao Sofia ny fitondram-panjakana, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika ny delegasiona tany Boriziny ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy […]

Havandra tany Alaotra : hojerena manokana ny fiahiana ny tantsaha

Amina hekitara ny tanimbary potiky ny havandra any amin’ny faritra Alaotra Man­goro, ny alakamisy 25 mey teo. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny governoran’ny faritra, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-karazany, ny sabotsy 26 mey. Nambarany fa hanolotra masomboly ho an’ny tantsaha ny fanjakana malagasy ho fitsinjovana azy ireo. Eo ihany koa […]

Sesame sy Ravinala Airports: tohanana ny tanora sahirana eny Ivato

Manamafy ny asa amin’ny maha tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiaraha-monina (RSE) ny orinasa Ravinala Airports. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fanabeazana, nanaovana fifanarahana amin’ny fandaharanasa Sesame. Tanjona ny hanohanana ny tanora malagasy sahirana, hahafahany manohy ny fianarany eny amin’ny oniversite ao anaty tontolo mendrika mandrapahatongavany eo amin’ny sehatry ny asa. […]