Araka ny vaovao mandeha, anarana mpanazatra roa no fantatra fa mety hitondra ny Barea de Madagascar. Na ilay teratany portiogey, Fabiano Costa, na ilay Frantsay, Bernard Casoni no handimby an’i Nicolas Dupuis. Araka ny fanadihadiana natao, anarana mpanazatra roa no fantatra fa mety hitondra ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Andaniny, Fabiano […]
Mois : mai 2023
Analamanga Park : nampirevy ry AmbondronA sy ’Zay
Eny, « nampirevy » mihitsy no mahalaza azy. Seho niavaka no nentin’ny Star nanamarika ny fiovana endrika teo amin’ny zava-pisotro “Fresh”. Efa ela naniriana, saingy izay vao tafaraka tamin’ny sehatra iray mantsy ny tarika ‘Zay sy ny tarika AmbondronA. “Nampirevy” ara-bakiteny izy ireo, teny Analamanga Park, omaly. Fitsangantsanganana hoan’ny mpianakavy kokoa, saingy […]
Fiaraha-miasa amin’ny mpanakanto : anisan’ny masoivohon’ny Telma i Dadi Love
Mpahay kanto, masoivohon’ny orinasam-pifandraisana Telma ihany koa i Rajaosalama Stéphanoelson Hervé na Dadi Love, manomboka izao. Nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, natao teny amin’ny « Campus Telma » Andraharo, ny Zoma 26 mey 2023, nampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy. Nanatanteraka ny valan-dresaka ireo solontenan’ny roa tonta. « Haharitra roa taona ny […]
Antsavatsava Itaosy : nahazo tombony ny mpankafy ny gadona ankehitriny
Tomefy olona ny kianjan’ Antsavatsava Itaosy, omaly, nandritra ny fampisehoana « Lundi de Pentecôte fety be » nokarakarain’ny Art’Ivo. Mpahay kanto, mpihira, enina, samy manana ny maha izy azy no nampifaly ny olona tonga teny nandritra io fampisehoana io. Teo ihany koa ny fisian’ny mpahay kanto nasaina manokana sy ny mpanao hatsikana, […]
“Feo sy gitara”: nivadika ho “tamboho” lehibe ny Coliseum, omaly
Tarika sy mpanakanto am-polony, samy nametraka tantara tamin’ny “vazo an-gitara” no niray sehatra, omaly. Nanomboka tamin’ireo mpandimby toa an-dry Zandry Gasy ka hatramin’ireo zokiny indrindra toa an-dry Tselonina sy ry Mahaleo izany. Revy gitara, eny ambony tamboho… Raha hatao kisarisary ilay fampisehoana, omaly, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe dia izay no […]




