Telo lahy matin’ny fokonolona. iray maratra, roa tsy naninona ka voalaza fa mpimasy ny iray, tamin’ny sabotsy alina. Nampangaina ho mpangalatr’olona, kanefa mpisera vatosoa izy ireo. Tokony ho tany amin’ny valo ora alina, ny sabotsy lasa teo ! Maty tsy tra-drano, nanamparan’ny fokonolona habibiana sy tora-bato ny telo lahy nosamborin’izy ireo. […]
Mois : mai 2023
Mindongy Atsimo : nifampitifitra ny dahalo sy ny mpitandro filaminana
Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo mitam-piadiana sy ny mpitandro filaminana tao Antaramihery kaominina Soakibany, distrikan’i Midongy Atsimo, ny herinandro lasa teo. Lasan’ny dahalo ny omby 8 tao amin’io tanàna io. Nanara-dia ny tafika efatra sy ny zandary 5 niaraka tamin’ny fokonolona mitontaly 130. Nifanehatra tao Mitigny, fokontany Sahatsory, kaominina […]
Héroïne sy Cocaïne : nizerianina dimy lahy nahatrarana 1,600 Kg
Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika (Stup) sy ny avy ao amin’ny kaomisaria Itaosy ny teratany nizerianina dimy lahy mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika. Tratra tao amina trano iray eny Andranonahoatra Itaosy, izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nahazo angombaovao ny polisy momba ny […]
Androndra : rotiky ny balan’ny polisy i Betela
Nirefodrefotra ny basy! Maty voatifitry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2), Ambohijatovo, i Betela. Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana izy. Efa tsy zoviana amin’ny polisy rahateo, efa eo am-pelatanan’izy ireo ny momba azy. Mpamerin-keloka izy. Manohy ny asa ratsiny, isaky ny mivoaka ny fonja, araka ny fanampim-panazavana nomen’ny […]
Herisetra ara-nofo: zazalahy 14 taona sady nanolana no namono
Habibiana tanteraka! Voasambotry ny mpitandro filaminana, omaly, ny zazalahy 14 taona. Sady nanolana no namono ilay zazavavikely vao 6 taona atao hoe “Aylah”, tao amin’ny Fokontany Andohamerina, kaominina Andrainjato centre. Tra-tehaka omaly, ny zazalahy nahavanon-doza namono an’i Aylah, zazavavy vao 6 taona monja hita faty teo akaikin’ny “cité de prof” […]




