Mois : mai 2023

Razafimahefa Herimanana : “Mandiso fanantenana ny Tetezamita”

“Ho fahadisoam-panantenana lehibe ho an’ny vahoaka malagasy iray manontolo ny hoe firosoana amin’ny fitondrana Tetezamita. Tsy izany no nifanarahana, ary tsy izay koa no voalazan’ny lalàmpanorenana”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, ny faran’ny herinandro teo. Isaky ny dimy taona ny fifidianana filohan’ny Repoblika, miandrandra fifidianana ny vahoaka. Sady adidy […]

Fanavaozana ny lisitry ny mpifidy : an-dalana ny fitsirihana dingana faharoa

“Roa no notazonina tamin’ireo namaly ny antso tamin’irao liana amin’ny fanaovana fitsirahana. Ao anatin’ny fandrindrana ny fomba fiasa hirosoana amin’ny fitsirihana malalaka ny lisitry ny mpifidy izao”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, An­driamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Makasika ny fanaovana fitsirihana dingana faharoa ny lisitry ny mpifidy […]

Hafatry ny filohan’ny FJKM : “Ndao hiray hina… fa tsy hiady mba ho levona”

Nampita hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FJKM. “Ndao hiray hina fa tsy hiady mba ho levona”, hoy ny mpitandrina, Andriamahazosoa Irako Ammi. Nampita hafatra Pan­tekoty ny eo anivon’ny FJKM, tamin’ny alalan’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Am­mi, ny herinandro teo. “Ndao hiray hina ka ho velona fa tsy hiady mba […]

Fahazavana… fandriampahalemana

Tato ho ato, voizina sy atao ny fanomezana fahazavana hatrany amin’ny elakela-trano na lalankely hoe anisan’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Marina izany. Saingy amin’ny ampahany ihany… Mahavanon-doza hatrany ny olon-dratsy rehefa entin’ny lohany; eny, na amin’ny atoandrobenanahary izao aza. Mety ho tsy fisian’ny olona na ny fahanginan’ny toerana, ohatra, no […]