“Taninketsan’ny fanatanjahantena avo lenta ny taranja fanatanjahantena any an-dakilasy ka tsy tokony hatao ambanin-javatra”, hoy ny mpampianatra fanatanjahantena eny amin’ny lycée Nanisana, Randrianarivo Falimanana Jacobson, omaly, teny Alarobia. Taranja iray ampianarina any an-tsekoly saingy tsy ampy ny fotodrafitrasa sy ny mpampianatra ary ny fiofanana azon’ny mpanabe. “Manangana sekoly manara-penitra maro […]
Mois : mai 2023
Famokarana voanjo : mangataka ozinina ny kaominina Befeta
Tanàna anisan’ny mamokatra voanjo ny kaominina Befeta, ao amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa. “Mahatratra 30t isan’andro ny vokatra azo ao an-toerana ary mavitirka amin’izany famokarana izany ny mponina”, hoy ny loharanom-baovao iray. Olana anefa ny famoahana ny vokatra. Araka izany, mangataka ny hisian’ny ozinina fanodinana voanjo ny mponina any an-toerana fa tsy […]
Lalana Andramasina sy Ambohimiadana : hampandraisina anjara ny mpitatitra sy ny mpandraharaha
Nidina tany amin’ny distrikan’Andramasina ny teknisiana sy ny injeniera ao amin’ny faritra Analamanga, ny herinandro lasa teo. Nojerena ifotony ny fanomanana ny hanarenana ny lalana, izay efa tena potika hatry ny ela. Hiarahan’ny faritra Analamanga sy ny ben’ny Tanàna sasany, ny mpitatitra, ny mpandraharaha ary ny zanaka am-pielezana manatanteraka ity […]
MVola : azo atao ny mifanakalo vola amin’i Comores
Azo atao ny mandefa vola mivantana avy any Comores mankaty Madagasikara, amin’ny alalan’ny MVola, nanomboka ny 17 avrily 2023 teo. Azo atao koa ny mandefa vola mivantana avy aty Madagasikara mankany Comores. Tsotra satria tsy voatery manantona masoivohona banky intsony ny manan-draharaha fa vita amin’ny finday avy hatrany. Eo no […]
Hena misy « formol » : “Fanakorontanana saim-bahoaka”, hoy ny minisitera
Niteraka resabe teny amin’ny tambajotra sosialy ny hoe hena ambara ho misy “formol”. Manoloana izany, nanambara ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, omaly, fa manameloka ny fampielezana vaovao tsy marim-pototra izy ireo. « Misy ny fitiliana ny fahamarinan’ny fahasalaman’ny hena, ataon’ireo vétérinaire inspecteur, alohan’ny hiakarany eny ambony ankalana », hoy ny fanazavan’ny […]




