Mois : mai 2023

Tandrina Suzette : fahasoavana lehibe ny fasimainty any Toliara

Vehivavy mpahay tantara, mpampianatra mpikaroka any amin’ny oniversite Toli­ara, Rtoa Tandrina Suzanette Alphonsine. Manana fijery mazava tsy mitongilana izy mikasika ny raharaha Base Toliara. Aminy, anjaran’ny fanjakana tanteraka ny manapa-kevitra mikasika azy, fa tsy tokony hijerena ny mpomba na ny mpanohitra ny tetikasa. «Efa fantatra ny tombontsoa entiny, koa inona […]

Tanora MYBM : nampahafantarina ny mikasika ny hetra

Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny Hetra (DGI) Germain, omaly, ireo tanora mpandraharaha miisa 15, mikambana ao amin’ny Ma­lagasy Youth Business Mee­ting (MYBM). Fihaonana nokarakarain’ny fandaharanasa Fihariana, mba hamantaran’izy ireo bebe kokoa ny tontolon’ny hetra. Nilaza ny tonia mpanatanteraky (SE) ny Fihariana, Rtoa Zafindravaka Valérie, fa nandritra ny fanazavana vao nahafantatra izy […]

Delestazy lavareny : potika ny fihariana madinika

Manimba ny fiharian’ny mpandraharaha madinika ny fahatapahan-jiro maharitra eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Mihena ny fidiram-bola, ny faktiora aloa isam- bolana anefa tsy miova. Velon-taraina manoloana ny fahatapahan-jiro isan’andro ny olona fa indrindra ireo miasa tena, izay tsy maintsy mampiasa herinaratra hanodinana ny orinasany. Tafidi­tra amin’izany ireo mpanao cybercafé sy […]

Oniversite Farafangana: mpangalatra maty norasain’ny mpiambina antsy

Nifampitana tamin’ny mpi­andry tanàna, mpangalatra iray nitondra antsy matin’ny mpiambina tao amin’ny Oni­versite Farafarangana, afakomaly. Sendra ny nahay azy! Maty vokatry ny vono natoan’ny mpiambina ny iray tamin’ireo mpangalatra niditra an-keriny ny faritry ny oniversiten’i Farafangana, ny talata teo. Niditra an-keriny tao amin’io toerana io ny mpangalatra telo lahy nitondra […]

Mifamahofaho !

Nanomboka afakomaly ny fivoriana ara-potoana voalo­han’ireo Andrimpanjakana roa mpanao lalàna : ny anteni­mierampirenena sy ny antenimierandoholona. Maro ny laha­dinika voalahatra. Betsaka koa ny tolo-kevitra angatahan’ny herivelona rehetra mba ho dinihina. Anisan’ireny ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny firafitry ny vaomiera mahaleotena na ny Ceni. Fikambanana maro no efa manao ady […]