Mois : mai 2023

Faritra Atsinanana : mpampianatra 496 tafiditra mpiasam-panjakana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny lycée Jacques Rabemanan­jara, ao Toamasiana. Lisea lehibe indrindra eto Mada­gasikara, ahitana mpianatra eo amin’ny 4000 eo ho eo. Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle. Nandritra ny fotoana, ni­zarana taratasy fifanarahana arakasa ireo mpampianatra andiany fahasivy, voaray ho mpiasam-panjakana. Miisa […]

Toamasina : niteraka fandratrana ilay kapa lamaody

Anisan’ny mampidi-do­za ny ankizy mpianatra matetika ny fanaovana ireny kapa fitondran’ny mpiasan’ny fa­hasalamana ireny. Vokany, nandray ny andraikiny ny teo anivon’ny CEG, Radama I, fokontany Tana­makoa ao Toamasina, tamin’ny herinandro lasa iny. Nampo­diana niverina tany amin’ny ray aman-dreniny ireo ankizy rehetra nanao ireny. No­sakanana vao ma­raina teo ambavahadin’ny sekoly mi­hi­tsy […]

Tsy ampy ny mpampivelona: 10 isan’andro ny vehivavy bevohoka maty

10 isan’andro ny vehivavy maty eo am-piterahana na eo am-pitondrana vohoka noho ny tsy fahampian’ny mpampivelona. Mpampivelona 2,5 no miahy vehivavy 10000 isa eto Madagasikara. Nifampizara fahalalana tamin’ny mpanao gazety ny fikambanan’ny rasazy, omaly, teny amin’ny foiben’ny Nations Unies, Andraharo. Fihaona­na nokarakarain’ny UNFPA (Agence des Nations Unies pour la santé […]

Fanokafana ASIEF Analamanga : minisitera 9 nifaninana VTT sy hazakazaka

Natao ny alahady lasa teo, tetsy Anosy, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga ASIEF, taranja hazakazaka am-bisikileta sy atletisma. Ni­faninana ny minisitera 9 tamin’ireo 19. Niara-dalana tamin’izany ny fifaninanana VTT, nahitana minisitera 3 tamin’ireo 4 mpikambana. Hesika nampitondraina ny anarana hoe “Rodoben’ny firaisankina”. Ankoatra ny atletisma, anatiny koa ny fifaninanana ny taranja […]

« Coupe René Ramanitrandrasana » : nanjaka ny klioban’ny Karate Kokaju

Nanjakan’ny klioba Kara­te Kokaju, Analamanga, ny fiadiana ny amboaran’ny “Cou­pe Hanshi René Ramani­trandra­sana”. Nandrombaka medaly volamena miisa 7 sy alimo 6 ny klioba, nandritra ny fihaonana natao teny Ambatobe, ny sa­botsy lasa teo. Notolorana lelavola, 100. 000 Ar, miampy amboara avokoa ireo tompondaka isan-tsokajy. 50.000 Ar ny faharoa. Afa-po ny […]