Mois : mai 2023

Tetikasa G3D: miisa 143 ny kazarana hazo sarobidy vaventy fantatra

Sambany nisy tetikasa miompana amin’ny fikarohana siantifika, hamantarana ny karazany sy ny isan’ny hazo sarobidy, toy ny voamboana sy ny andramena ary ny volombodimpoina eto amintsika. Tandindonin-doza anefa izy ireny, ka ilaina ny fitantanana maharitra, nahatonga ny tetikasa G3D. Tohanan’ny Vondrona eoropeanina (UE) ny tetikasa «Fitantanana maharitra ny hazo sarobidy […]

Slam Poésie : miditra amin’ny fihodinana faharoa ny “Tour’nao”

Tanterahina ny sabotsy 6 mey 2023, eny amin’ny Ins­titut Français de Madagascar, IFM, Analakely, ny hetsika “Tour’nao”, fihodinana faharoa. Fifaninanana Slam Poé­sie, karakarain’ny Madaga­slam, Section Tana na MST izy ity. Mitovy amin’ny lalàna mifehy ny fifaninana Slam Poésie ihany no mifehy azy. Ny fisian’ny fihodinana isam-bolana kosa no mampiavaka azy. […]

Famerenan-kasina ny Malagasy : hatsangana ny Antenimieran’ny raiamandreny ara-poko

Natomboka tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, eny amin’ny Fofikri Ilafy, haharitra efarana ny “Fihaonam­ben’ny raiamandrenin’ny Malagasy”. Fivoriambe karakarain’ny fikambanana Laka, tarihin-dRakotondrasoa Noel. Mpia­hy izany ny Anteni­mieran’ny andrian’Imerina na AAM, miaraka amin’ny Andriambe Randriamahary Hamona. Tan­jona ny hananganana ny An­tenimieran’ny raiamandreny ara-poko misy eto Madaga­sikara sy ny fampiraisana ny mpandala na ny […]

Tontolon’ny Dihy: hisy ny “Festival” hokarakarain’ny minisitera mpiahy

Nomarihina ny 29 avrily lasa teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Maro ny hetsika notanterahina teto Antananarivo. Nivoitra taorian’izany ny hikarakarakana “ Festival”. Ny 29 avrily teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Ny alatsinainy 1 mey kosa no nomarihina izany, tetsy amin’ ny Ivokolo Analakely. An­koatra ny fampisehoana, […]

ANTOKO MMM: « Tsy mbola natao laharam-pahamehana ny asa »

Anjaran’ny eny Atsi­mondrano indray ! Anisan’ny nambaran’ny filoha nasiona­lin’ny antoko Malagasy mia­ra-miainga, Andrianainarivelo Hajo, teny Anosizato, omaly ny momba ny fetin’ny asa. «Tsy handroso ny firenena raha tsy mbola atao laharam-pahamehana ny asa sy ny fanabeazana, ary ny fahasalamana», hoy izy. Nanteriny fa tsy nisongadina ireo sehatra ireo, ka nampitotongana […]