Tontosa ny sabotsy 29 sy ny alahady 30 avrily lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny “Open”, taranja tae-kwon-do, nokarakarain’ny klioba Chinjok. Fihaonana niarahana niasa tamin’ny ligin’Analamanga. Ady (Kirugi) no natao tao anatin’ny roa andro. Raha teo amin’ny vokatra, nanjaka ireo mpikatroka avy amin’ny ligin’ Analamanga. Lasan’izy ireo avokoa ny fandresena […]
Mois : mai 2023
Kitra – «Orange Pro League 2023»: fantatra ireo hiatrika ny «Play-off»
Efa nalain’ireo ekipa valo avokoa ny tapakila hahafahana miatrika ny fifaninanam-pirenena “Playoff, OPL 2023”. Anisan’ireo ekipa nahazo izany farany ny Ajesaia Bongolava, izay avy ao amin’ny kaonferansy avaratra. Efa fantatra avokoa ny ekipa 8 tafita hiatrika ny “Play off” avy amin’ny kaonferansy atsimo sy avaratra, fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara “Orange […]
Tetikasa FYVARY : masomboly tsy voatery hampiasana zezika
Nanaovana andrana sy fanehoana ny tetikasa Fyvary ny lemak’i Volidina, fokontany Antsahatanteraka, kaominina Ankadinondry Sakay, distrika Tsiroanomandidy. Nampiasana masomboly Fyvary 85 sy Fyvary 32 ny velaran-tany maherin’ny 20 Ha sady natao vala tahaka ny nanaovana ny teknika papriz. Natao izao hanatsarana ny voka-bary eo an-toerana sy ho fiaraha-miasa amin’ny tetikasa. […]
Fiarovana ny tontolo iainana : hahazo famatsiam-bola 200 tapitrisa Ar ny tetikasa mendrika
Anatin’ny politikim-panjakana ny fandraisana andraikitra sy fampirisihana ny sehatra tsy miankina hiroso amin’ny fampiroboroboana maharitra ny harena voajanahary. Antony nahatonga ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, miaraka amin’ny ny BNI Madagascar niara-niasa. Natao sonia omaly, tetsy Ambodivona, ny fandaharan’asa BNI Lovainjafy. Araka izany, nisokatra niaraka amin’izay ny fifaninanana […]
Fananantany: mitaky ny hanajana ny zon’ny daholobe ny Sif
Amin’ny maha fikambanana fiarahamonim-pirenena (OSC) azy, mijoro eo anilan’ny vahoaka sy ny maro anisa hatrany ny Sehatra iombonan’ny fananantany (Sif). Nilaza ny mpandrindra mpanatanteraka (SE), Raparison Eric, omaly, fa maro ny olan’ny fananantany eto amintsika, fa azo adika fa saika mitovitovy amin’ireo tranga telo voarainy daholo izany. Aminy, tokony tsinjovina […]




