“Fitaovana heverin’ny Ceni fa anisan’ireo antontan-kevitra azo kirakiraina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny rejisitra teo aloha eny anivon’ny fokontany.” Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, momba ny namoahan’ny Ceni ny lisitry ny mpifidy amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Ral) nefa […]
Mois : mai 2023
Rakotoarisoa Florent : “Tsy voatery hiteny hatrany ny HCC”
Mby aiza ny fitoriana momba ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana? Tsy voatery hiteny hatrany ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), na hoe tsy mijery fotsiny aza. “Na miaro ny lalàmpanorenana aza izahay, tsy hiloa-bava isaky ny misy mihevitra na mieritreritra fa mihoa-pefy na manitsakitsaka ny lalàmpanorenana ny fahefana […]
Antenimierandoholona : nisokatra ny fivoriana ara-potoana voalohany
Tontosa omaly tolak’andro, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Anosy, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriambe ara-potoana voalohany. Haharitra 60 andro ny fivoriana, araka ny voatondron’ny Lalàmpanorenana. Ny talata voalohany amin’ny volana mey no hanaovana ny fivoriana ara-potoana voalohany, ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fivoriambe ara-potoana faharoa. […]
Fakana an-keriny : raikitra ny fifampitifirana, olona 11 avotry ny zandary
Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny dahalo mpaka an-keriny sy ny zandary tao Ankilizato ,omaly. Fianakaviana iray avy ao Ambalakajaha, anatin’ny fokontany Mavogisa, kaominina Ankilizato no nalain’ny olon-dratsy an-keriny. Tompon’antoka ny jiolahy fito mitam-piadiana mahery vaika. Manoloana izany, nisy ny fisafoana ny tanàna nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao an-toerana […]
Zo sy adidy !
Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny firenen-drehetra maneran-tany, anio. Andro natokana mba hanaitairana sy hampahatsiahivana ny mpitondra fanjakana fa tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana izay voarakitry ny fanambarana iraisam-pirenena ho an’ny Zon’olombelona izany. Ny taona 1991, namoahana ny fanambarana voalohany tany Namibia no nanomboka, niketriketrehana azy ity. […]




