Tontosa omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Esca Antanimena, ny fampisehoana nankalazan’ny tarika Iraimbilanja ny faha -40 taonany. Nanotrona azy ireo ny mpankafy sy ny namana ary ny zanaka aman-jafin’ny mpikambana. Tsy niova fa ny hira sy ny fampisehoana nahafantarana ny tarika Iraimbilanja no niarahana. Tonga nanotrona ny tarika i Nini ao […]
Mois : mai 2023
Metaly : nahery vaika ireo andriambavilanitra
Nafana tanteraka ny seho mozika mavesatra tetsy amin’ny Lounge Bar Analakely, ny alahady 30 avrily teo. Nanapoaka izany ny tarika hirain’ny andriambavilanitra, ny tarika Di-Anna, nihira ny an’ny tarika Avenged sy Pantera, izay tena nahery vaika tokoa. Tonga maro rahateo ny mpankafy sy mpiondana ny gadona metaly sy ny tontolony. […]
40 taona an-tsehatra : namaly hatrany ny hetahetan’ny mpankafy i Poopy
Namoaka mpanakanto tsy lefy laza maro ny taona 1983… Anisan’ireo manamarika ny faha- 40 taona niakarany an-tsehatra koa i Poopy. Mbola noporofoiny kosa fa manan-toerana ao am-pon’ ny mpankafy izy… Am-polony ny seho tamin’iny faran’ny herinandro iny, raha ny teto an-drenivohitra fotsiny. Anisan’ireo nisongadina indrindra tamin’ireny ny an’i Poopy ny tolakandron’ny […]
Fitsinjaram-pahefana miabo : efa miroso ny fanjakana
“Tsy miandry ny fahavitan’izay drafi-pirenena izay ny fitondram-panjakana vao nanao ezaka amin’ny fitsinjaram-pahefana. Efa betsaka ny zava-baovao nentin’izao fitondrana izao hanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo. Eo, ohatra, ny fampitomboana ny vola fanampiana ny kaominina sy ny faritra. Eo koa ny fanomezana fitaovana ny faritra 23 amin’ny fanamboaran-dalana…” Io no nambaran’ny minisitry […]
Mahajanga : saika nifandona ny depiote sy ny zandary
Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny ekipan’ny Mihava Tour. Tany an-drenivohitr’i Boeny izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nafampana ny raharaha, nanomboka teny am-pidirana ny tanàna hatreny amin’ny toerana nifamotoan’izy ireo tamin’ny mpanara-dia. Nisy fotoana efa nifampisintonan’ny depiote Voninahitsy Jean Eugène sy ny mpitandro filaminana iray ny vy maranitra, natao sakan-dalana. […]




