Hifarana afaka fotoana fohy ny fandraisana ny antontan-taratasy amin’ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Association sportive interministérielle pour l’entretien des Fonctionnaires (Asief), taona 2023. Mizotra tsara ny fanomanana, araka ny nambaran’ny filohan’ny Asief, Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). Nisy ny fidinana ifotony natao tany Toamasina, ny herinandro lasa teo, nijerena ireo […]
Mois : mai 2023
Kitra any Frantsa : lasan’i Mbemba ny «Prix Marc Vivien Foé»
Notanterahina, omaly talata, tany Frantsa, ny fisafidianana izay mpilalao baolina kitra afrikanina mendrika, mifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa «Ligue 1», na ny «Prix Marc Vivien Foé». Norombahan’ilay Kongoley, i Mbemba Chancel, milalao ao amin’ny Olympique de Marseille, izany. Nahazo isa 207 avy amin’ireo mpanao gazetin’ny France 24 sy […]
Rakotondrabe Romuald : mpanazatra ny Barea zokiny
Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, omaly, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô no mpanazatra hitondra ny Barean’i Madagasikara. Ny 14 oktobra, hanaovana ny fifidianana ny filohan’ny FMF vaovao. Toy niandry vohoka ny namohana ny anaran’ny mpanazatra ny Barea de Madagascar vaovao, handimby an’i Nicolas Dupuis, teknisianina frantsay. […]
DO B : ho solontenan’i Madagasikara
Mbola kely izy dia efa nisongadina tamin’ity talentany ity… Teny an-dalana teny no nanatsara sy nifehy ny “beatbox” i Do B. Nanomboka nisongadina ary lasa nalaza indrindra tamin’izany Rasolofoarison Do na i Do B taty aoriana. Tsy nijanona amin’izay lazany izay anefa, fa nikatsaka hatrany ny hiakatra ity mpanakanto ity. […]
Nisokatra ny fankalazana… : Boky “Hiram-bavaka”, tsangambaton’ny faha-100 taonan’i Rado
Feno zato taona amin’ity ny nahaterahan’Andriamantena Georges na i Rado… Tsy avelan’ny fianakaviany akaiky sy ny fianakaviamben’ny zava-kanto amin’ny ankapobeny handalo fotsiny izany, fa homarihina ho fanomezam-boninahitra ity andrarezin’ny literationa, nanamarika vanim-potoana maharitra ity. Nosokafana omaly, ny fankalazana, tao amin’ny efitrano Rado ao amin’ny Tranombokim-pirenena, Anosy. Rariny loatra satria toerana […]




