Mois : mai 2023

Mila ovaina ifotony : ratsy taiza ny zaza malagasy

Mpampianatra, ray aman-dreny, raiamandreny mpitarika, mpitondra… Mpitaiza sy mpanabe avokoa ! Izy ireo no loharano hanovozana ny fahalalana, fahendrena, soatoavina, fomba amam-panao, sns. Ireo rehetra ireo anefa no tsy ampy eo amin’ny zaza malagasy ka ilazana azy ireny ho ratsy taiza. Mila ovaina ifotony ny fanabeazana sy fitaizana misy amin’izao vanim-potoana […]

Fanandratana ny teny malagasy : hanome lanja ny tantara foronina ny Havàtsa-Upem

Raha oharina amin’ny asa soratra hafa, vitsy kokoa ireo mpanoratra mirotsaka amin’ny fanoratana tantara foronina. Ho fanarenana izany, sady famohazana talenta, hanatanteraka atrikasa ny Havàtsa-Upem. Volana jona, iray volana hanandratana ny teny malagasy, ho an’ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy na ny Havàtsa-Upem. Hanatante­raka atrikasa momba ny tantara foronina […]

Fikambanana Mafy be : hanohana ny fampiofa- nana Ratsiraka Annick

Tsy nitazam-potsiny. Nam­panantena ny filoham-boninahitry ny Mafy be, Ratsiraka Annick fa hanohana sy ha­nampy ireo vehivavy mivondrona eo anivon’izany fikambanana izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana. Efa maherin’ny 100 ireo mpikambana ao amin’ny Mafy be eny amin’ny kaominina Tala­tanangavo ao amin’ny distri­kan’Ankazobe. Nampahafan­tarina tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan’ny fikambanana […]

Depiote Ratafika Andriamalazamanga : “Miandrandra fifidianana ny rehetra”

“Samy miandrandra hizotra amin’ny fifidianana ny rehetra mba handeha amin’ny fomba demokratika ny fifandimbiasam-pahefana hiampitan’ny filohan’ny Repoblika manaraka eo amin’ny fe-potoam-piasana vaovao.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD, Antananarivo I, Ratafika Andriamalazamanga Dimbindraibe, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. “Raha ny hitanay ny eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fitantanana […]