Hifarana anio ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Tsy hisy fisoratana anarana intsony aorian’izay… Hifarana anio amin’ny 12 ora alina ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izao. “Aorian’ny 31 mey, tsy misy fisoratana anarana vaovao intsony, fa hisy lisitry ny mpifidy hivoaka rehefa […]
Mois : mai 2023
Adin’ny mpirafy : polisy nanindrona antsy, naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Maroantsetra ilay polisy nandratra tamin’ny tsatok’antsy ny rafilahiny. Mbola anatin’ny fitsaboana kosa ilay niharam-boina noho ny ratra mafy nahazo azy. Tsiahivina, nivoraka ny tsinainy. Ny alarobia 24 mey 2023, niakatra teny anivon’ny fampanoavana, fitsarana ambaratonga voalohany, ao Maroantsetra ny raharaha. Mpampianatra ny asan’ity raim-pianakaviana […]
Mifanahim-bibidia !
Na biby aza angamba tsy manao fomba fisainana tahaka ny ataon’ny olona sasany eto Madagasikara, ankehitriny. Zary tsy misy hasiny sy tsy misy vidiny intsony ny aina maha olombelona. Toa very fanahy ny ankamaroan’ny olona. Mampatahotra ny mandeha eny an-dalambe rehetra eny. Olona toa lasalasam-borona sy mijonjorombona tsy mahita na […]
Fitsaram-bahoaka : lehilahy 105 nosamborina !
Lehilahy miisa 105 no voasambotra, omaly. Voasaringotra tamin’ny famonoana ireo telo lahy mpanao aferam-bato , ny alahady alina, tany Lalazana izy ireo. Mbola misy hafa karohina. Olona iray kamiaoben’ny miaramila ireny no nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly maraina. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ireo telo lahy matin’ny fokonolona tao tatandratsy, fokontany […]
Voaroba ny vola sy ny Moto: raim-pianakaviana maty voatifitry ny jiolahy
Narahina moto roa nentina jiolahy, maty voatifitra ny raim-pianakaviana iray omaly maraina tamin’ny 9 ora sy sasany. “Mpiasa amina orinasa io lehilahy io ary nitondra moto”, hoy ny fanazavan’ny polisy. Tsy nampoiziny anefa narahina jiolahy mitam-piadiana izy. Moto roa ireo nanaraka azy. Nasain’ireo olon-dratsy nidina ny moto io lehilahy io. […]




