Mois : mai 2023

Fetin’ny Pantekoty : 4 ireo namoy ny ainy, 5 namono tena

Niakatra ny tahan’ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny anivon’ny hopitaly HJRA Anosy, nandritra ny Alahady sy Alatsinain’ny Pantekoty lasa teo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny hopitaly omaly. “Manodidina ny 209 izy ireo ary 23 ny naiditra hopitaly nandritra iza­ny”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny hopitaly HJRA, Rafiliposon […]

Nampiasana alika mpitsongodia…: tratra ny jiolahy mpangala-bary eny an-tanimbary

Manararaotra ny fiakaram-bary! Noho ny fotoanan’ny fararano, fiakaran’ny vary, manao latsak’alina mangalatra ireo vary eny an-tsaha koa ny jiolahy. Tantsaha iray monina ao Ambohitrambany, fokontany Volaniray, kaominina Mahavelona, distrikan’ Ankazobe no lasibatry ny hala-bary matetika. Araka ny fanazavany, intelo niverenan’ ny mpangalatra nojinjaina amin’ny alina ny variny eny an-tsaha ka […]

Nitsoaka polisy: nivadibadika ny fiara nentina mpamily mamo tetsy Tsarasaotra

Nanao loza intelo nisesy, nandositra polisy ka nifatratra tamina fiara tsy mataho-dalana ny fiara iray nentina mpamily mamo, tetsy amin’ny Rocade Tsarasaotra, omaly tamin’ny 12 ora sy sasany. Avy nifaoka fiara Golf tetsy Anosivavaka, na­n­dositra ny polisy na­nao ny constat  niaraka tamin’ny fiara nentiny marika Duster ny mpamily. Efa mamon’ny […]