Tafiditra amin’ny tetikasa “Nosy Manga” ny fambolena lomotra (rhydophyta) any an-dranomasina ary asa vaovao ho an’ny olona mpanjono miaina amin’ny morontsiraka. Tany amin’ny kaominina Sarodrano, Toliara II no natomboka ny tetikasa ary rehefa hita fa nahomby sy nahaliana ny tokantrano maro vao nitarina ho an’ny kaominina maromaro ka anisany ny ao Anakao, araka ny fanazavan’Andrianomenjahary Orlandot, tomponandraikitra teknika sy ny famokarana lomotra ao amin’ny Ocean Farmers. 44 ny toeram-pambolena lomotra ho an’ny faritra Atsimo Andrefana ka ny 22 amin’ireo ao amin’ny distrikan’i Toliara II avokoa, manomboka eo Anakao hatrany Androka. Manana teknisianina manofana ireo vonona hamboly lomotra ny orinasa ary vatsiana fitaovana hiasana (tady, “palmes”, “masque”, gony…) izy ireo. 1 500 ( ho an’ny toeram-pambolena 44) eo ho eo ny mpamboly lomotra ary ny tanora sy ny vehivavy no tena marisika. Misy mpanangona ny vokatra koa eny an-toerana mandray mivantana ny lomotra ka 1 500 Ar no hakana ny 1kg efa maina. Miankina amin’ny vidim-bokatra amin’ny tsena iraisam-pirenena no hamaritana ny vidiny eto Madagasikara.
Rehefa feno iray volana ka hatramin’ny 40 andro no azo alaina ny lomotra ary indroa ny fiotazana anatin’ny volana iray. Ho an’ny taona 2022, nahatratra 1 400 t ny vokatra ka tao anatin’ny telo volana 200 t ny vokatra azo tao Anakao, hoy ny fanamarihany ihany. Mahazo anjara hetra avy amin’ny fambolena ny kaominina izay mitentina 1 500 000 Ar isaky ny telo volana.
Tanjon’ny OF ny hanondrana lomotra 4 000 ka hatramin’ny 6000 t ary mifaninana amin’ny Tanzania isika. I Sina no firenena mpandray ny lomotra mena. 70% amin’ny tanjona napetraky ny orinasa amin’ny famokarana lomotra no tratra hatramin’izao. Misy fepetra ny fisafidianana ny toerana hambolena lomotra. Mila fitsirihana mialoha ny tanàna hanaovana ny tetikasa ary tokony hahazo ny fankatoavan’ny mponina ao aminy. Tsy maintsy mahay rano ary latsaky ny 60 taona no raisina ho mpamboly. Sarotsarotra ny nandresy lahatra ny mpanjono hamboly lomotra satria tsy ao anatin’ny kolontsaina Vezo izany fa manjono no manavanana azy ireo. Ho an’ny kaominina Anakao manokana, amin’ny faritry ny ranomasina lalina no hambolena lomotra. Nampiova ny fiainan’ny mponina ny fambolena lomotra fa nisy fidirambola hafa ankoatra ny jono. Teo aloha isan’andro mahazo hazandranomasina 20 ka hatramin’ny 30kg ny mpanjono iray isaky ny mandeha. Nihena 3kg ny vokatra amin’izao fotoana izao.
Vonjy Andrianjaka




