Nandray ny iraka manokana avy amin’ny Frankofonia (OIF), tonga eto amintsika ny eo anivon’ny HCC, omaly, tetsy Ambohidahy. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. Nambaran’ny filohan’ny HCC, Rakotoarisoa Florent sady nanafatrafarany fa aleo atrehina ny fifidianana. “Aoka atsahatra ny fifampihantsiana sy ny fanompana na koa fanivaivana atao any […]
Mois : juin 2023
Fanatsarana ny tontolon’ny asa : niaiky ny paikadin’ny filoha Rajoelina ny OIT
Nanokatra ny lahatenin’ny filoha Rajoelina tamin’ny fihaonana an-tampony any Genève ny tale jeneralin’ny OIT, Gilbert F. Houngbo, omaly. Niaiky ny tenany raha nilaza nanoloana ireo mpivory fa fakan-tahaka ho an’ny rehetra ny politikan’ny asa eto amintsika. “Anisan’ny lohalaharana eo amin’ny fampiroboroboana ny asa mendrika tao anatin’ny taona maro ianao andriamatoa […]
Fahaleovantena hoe !
Andro vitsy mialoha ny hankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena sy ny politikan’i Madagasikara, andao mba hiresaka momba ny fahaleovantenan’ny tsirairay. Miainga amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny tokantrano ary ny fiarahamonina no maha firenena ny firenena. Inona anefa no teboka tokony horesahina ? Valiny : tsy misy afa-tsy ny tsy fiankinan-doha momba ny toekarena […]
Dahalo mpaka an-keriny : mafy ny fifandonana, rotiky ny bala i Lemainty
Maty voatifitra ny dahalo raindahiny naman’i Yarisy, dahalo mpaka an-keriny tao Anjozorobe. Nokarohin’ny zandary hatry ny ela, maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana i Lemainty, dahalo ikoizana. Mpiara-miasa tamin’i Yarisy, mpangalatr’omby ary mpaka an-keriny tao amin’ny distrikan’ Anjozorobe izy ireo. Nokarohina nandritra ny telo taona i Lemainty io. […]
Nivoaka ny trano ny mpitaiza… : tovovavy 11 taona niharan’ny fanolanana
Lehilahy iray 19 taona karohin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanolanana nihatra tamin’ny zazavavy 11 taona, tao amin’ny Fokontany Moramanga ambony, distrikan’i Moramanga, ny zoma 9 jona teo. Tsikaritr’io lehilahy io fa nivoaka ny trano ilay mpitaiza io zazavavy io, niditra mangingina tao an-trano ilay mpanolana. “Reraka avy nijery fahitalavitra aho ka […]




