Mois : juin 2023

Ambilobe : hamokatra siramamy 63.000t

Hahatratra 63.000t ny siramamy hovokarin’ny orinasa Sucoma Ambilobe amin’ity taona ity. Nisokatra na­nomboka ny zoma 2 jona teo ny taom-pamokarana ao amin’ity orinasa ity. Nanom­boka ny 5 jona teo kosa, nivarotra izany any amin’ireo mpamongady manerana ny Nosy ny Sucoma. Mamaha ny antsasa-manilan’ny filan’ny mponina ity famokarana ity ary vidiana […]

Telma: nivoaka ny marika Itel A60

Hany orinasa afaka ma­ninjara sy mivarotra ny finday Smartphone Itel A60 ny Tel­ma. Vokatra vaovao atolotra hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa izany, hita manerana ny toeram-pivarotan’ny Tel­ma rehetra manerana ny Nosy. Tanjona ny hahafahan’ny Ma­lagasy rehetra mampiasa ny niomerika sy ny fivoaran’ny teknolojia. Nilaza Rabefitia Riantsoa, tomponandraikitry ny fifandraisana amin’ny daholobe […]

Maroantsetra sy Mananara : hovahana ny olan’ny rano fisotro

Manana rano betsaka saingy tsy voafehy ny distrikan’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra. Taorian’ny fitarainan’ny mponina tamin’ny fi­loha Rajoelina, herinandro lasa izay, nidina tany an-toerana ny minisitry ny Rano sy ny fidiovana ary ny fahadiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramilison Harifidy, ny 11 […]

Tontolo iainana: nampifandraisina ny siantifika sy ny mpampita vaovao

Manana ny anjara toerany mampita ny loharanom-baovao mankany amin’ny sehatra iantefany, ny fanaovan-gazety. Anisan’izany ny lafiny siantifika, nahatonga ny mpanao gazety niaraka nanao atrikasa tamin’ireo mpahay siansa amin’ny lafiny tontolo iainana, tamin’ny alalan’ny tetikasa Varuna, ny 6 hatramin’ny 8 jona teo, tany Ampefy. Sarotra ho an’ny besinimaro ny mahafantatra sy […]