Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny famaranana ilay fifaninanan-kira bagasy nokarakarain’ny Sehatra Bagasy nampitondraina ny lohateny « Tsara hira tsara mozika ». Fifaninanana andiany voalohany izy ity, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. « Nody ventiny ny rano nantsakaina ka nahazoanay ny laharana voalohany izay mandrisika anay hiroso hatrany », hoy kosa ny Dimy sy Fito […]
Mois : juin 2023
« Tontolo iray, kolontsaina iray » : hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Nosy roa tonta
Tontosa soa aman-tsara ny tetikasa “Tontolo iray, kolontsaina iray”, niarahan’i Madagasikara sy Nouvelle Calédonie. Tetikasa nanatanterahana ny fifanakalozana ara-kolontsaina teo amin’ny roa tonta, nandritra ny 15 andro teto Madagasikara. Ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) no nisolo tena ny Malagasy tamin’izany, raha ny Centre Culturel Goa ma Bwarhat (CCGMB) kosa ny […]
Alliance Française : hetsika maro no hanamarihana ny “Fetin’ny Mozika”
Hiavaka noho ny tamin’ny andiany teo aloha. Hotanan’ny Alliance Française hatrany kosa ny lalantsain’ny “Fetin’ny Mozika”. Fizarana mozika maimaimpoana, fampiarahana mpanakanto kalaza sy vao misondrotra, sns. 21 jona, “Fetin’ny Mozika”. Efa tafapetraka eto Madagasikara izy ity, ary nomarihina nandritra ny taona maro. Anisan’ny nikarakara tsy tapaka ny “Fetin’ny Mozika”, manakaiky […]
Satan’ny mpanao politika : mbola raisina ny soso-kevitra
“Mbola mandray ny soso- kevitra sy manatsara ny sata ny ekipa ao. Hampahafantarina ny fotoana hanaovan-tsonia”, hoy ny sekretera jeneraly nasionalin’ny HVM, i Sambany Alain. Nandrafitra no nataon’ ireo antoko folo nivory sy nifampizara fomba fijery ary nifandresy lahatra ny amin’ny rijan-teny. Nampafantarina ny antoko politika sy firaisamonina sivily izany […]
Lisitry ny mpifidy : haverina eny amin’ny fokontany ireo tsy fahatomombanana
Mahatratra 57 012 ny tsy fahatomombanana amin’ny lisitry ny mpifidy, araka ny tatitry ny mpanao fitsirihana, ny herinandro teo. “Haverina eny anivon’ny fokontany ireo tsy fahatomombanana hanaovana fanamarinana. Tsotsotra ireo tsy fahatomombanana: ny laharan- karapanondro izay mampiavaka ny lahy sy ny vavy, ny tsy fisian’ny laharana “serie””, hoy ny mpampakateny […]




