Nitohy tany Menabe, tao Morondava, ny Mihava Tour, notarihin’ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, ny faran’ny herinandro teo. “Tsy ekentsika ny fampiadiana ny samy Malagasy. Mila fanavotana ny vahoaka sy ny firenena fa tena mijaly loatra”, hoy izy tamin’ireo vahoaka tany an-toerana. Nanteriny fa tsy mahantra ny Malagasy. Nampahantraina isika. Izay no […]
Mois : juin 2023
Minisitry ny Raharaham-bahiny : “Tsy ny mampisaraka no jerena fa ny mampiombona”
Mitohy ny fanentanana amin’izao fiatrehana ny fetim-pirenena izao. Niantso firaisankina ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. “Manentana antsika Malagasy mba hampiseho firaisankina sy fitiavan-tanindrazana. Iray ihany ny tanindrazantsika. Noho izany, tokony hiara-misalahy isika hanompo ny tanindrazana : tsy hijery izay mampisaraka […]
Kirizim-pitokisana lalina
Mangingina ny tanàna, tsy hay mazava izay fonosiny. Tsy mbola mamerovero toy ny mahazatra ny asaramanitra. Tsipoapoaka manako tsindraindray no manamarika fa manakaiky ny fetin’ny 26 jona. Ilay fananganan-tsaina isan-tokantrano tsy hanaovana resabe intsony, efa toy ny tsy misy. Zary very tanteraka ny fitiavan-tanindrazana sy ny fahaiza-miaina mifanaraka amin’izany. Nofinofy […]
Miaro mpanolana : reny niteraka naiditra am-ponja
Naiditra am-ponja ny renin’ilay zazavavikely 12 taona sady voaolana no bevohokan’ny raikeliny. Naleon-dramatoa nikarakara ilay mpanolana any am-ponja toy izay ny zanany. Nanaraka am-badiny, mamita sazy any am-ponja koa ny renin’ ilay zazavavikely 12 taona niharan’ny fanolanana tao Vatomandry, ka bevohokan’ ny raikeliny. Tsy fikarakarana an-janany no antony nampidirana am-ponja […]
Asan-jiolahy : basy vita gasy efatra tratra tao anaty taksiborosy
Sarona tao anaty taksiborosy ny basy efatra nentina lehilahy iray tao Antsohihy, omaly tamin’ny 8 ora maraina. Naharay angom-baovao tamina tsara sitrapo, nidina ifotony nanao fanamarinam-baovao ny mpitandro filaminana momba io mpivarotra fitaovam-piadiana io. Nikasa hihazo an’Antonibe ilay lehilahy. Nigadona teo amin’ny fiantsonan’ ny taksiborosy ny mpitandro filaminana saingy mbola […]




