Manomboka mivolon’andro asaramanitra ny eto an-tanàna. Mihatomotra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Efa manakoako ny tsipoapoaka. Manomboka mihofahofa ny sainam-pirenena na tsy mbola marisika amin’ny fananganana izany aza ny maro. Eto indrindra no mba hisintonana ny sain’ny olom-pirenena tsirairay. Taratry ny fitiavan-tanindrazana ny fananganan-tsaina, fanehoana ny maha izy azy, ilay […]
Mois : juin 2023
Lisi-pifidianana : hisy 20 andro farany hanoratana anarana
Mbola afaka manamarina farany ny anarany anaty lisitra ny mpifidy. Manana 20 andro izy ireo aorian’ny 10 jona.Omen-tsehatra manokana ny olona tena tsy mbola nisoratra anarana. “Am-perinasa izao ny rantsamangaikan’ny Ceni eny anivon’ny distrika amin’ny fandikana ny lisitry ny mpifidy farany amin’ny ordinatera hamoahana azy ho lisi-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny […]
Ambatofinandrahana : basy telo mahery vaika naverin’ny fokonolona
Natolotry ny fokonolona teo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny basy mahery vaika miisa telo tao an-tanànan’i Soafianara, Manota, fokontany Ianakona, kaominina Fenoarivo, distrikan’ Ambatofinandrahana, ny zoma 2 jona teo. Ho fisorohana ny tsy fandriam-pahalemana, nanao be midina ny zandary miisa valo, niampy miaramila 5 ao an-toerana. Nanao diabe nitety tanàna izy […]
Mpianatra ho zandary : tsy hita popoka teny am-pihazakazahana
Nifampitadiavana nanomboka sabotsy 3 jona teo, mitohy ny fikarohan’ny tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly fiofanana ho zandary (EGNA) Ambositra, ny mpianatra ho zandary iray tsy hita. Niaraka tamin’ireo mpiara-mianatra aminy nanao ny hazakazaka 8 km toy ny mahazatra azy ireo izy io faran’ny herinandro io. “Efa fanaony io saingy tsy hita […]
Mpanafika raindahiny : roa lahy maty voatifitry ny polisy
Jiolahy roa lavon’ny balan’ny polisy tao Ambositra, ny alahady alina teo. Ny voalohany, tao Ampany, kaominina ambonivohitr’ Ambositra, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Nanafika tokantrano iray, kanjo tonga ara-potoana ny polisy rehefa nahazo fampandrenesana avy amin’ny tsara sitrapo. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ity jiolahy ity ka namaly […]




