Naharitra telo volana ny andiam-pampisehoana nataon-dry zalahy tany ivelany. Hofaranan-dry Erick Manana sy Ralah Trio eto an-tanindrazana izany, hanehoan’izy ireo ny endriky ny mozika nateraky ny fampiarahana talenta. “Niahiahy ihany aho tany am-boalohany…Ho voarain’ny mpankafy ve ity fiarahanay ity? Tsy hampatahotra ny mpankafy ve hoe ho lasa jazz? Saingy nirosoanay ilay […]
Mois : juin 2023
Hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mey : arahin’ny fitsarana maso Rakoto Doris Samuel
Hotanterahina ny 16 jona izao ny fitsarana an-dRakoto Samuel Doris taorian’ny nihainoan’ny fampanoavana azy tetsy Anosy, omaly. Arahin’ny fitsarana maso kosa anefa ny tenany mandra-pahatongan’izany ka afaka nody, araka ny fanapahan-kevitry ny mpanao famotorana. Nosamborin’ny zandary vao maraina teny an-tranony, eny Andoharanofotsy ity vadin’i Mahery Lanto Manandafy (Malama) ity. “Tsy […]
Arai : fiara 185 sy kaonty 361 no giazina
“Fiara 185 vinavinaina hoe azo tamin’ny kolikoly, na fanodinkodinam-bolam-panjakana, na famotsiam-bola no halain’ny Arai amin’ny toeram-pitanana azy”. Io ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Arai), Rasoloharimanana Aimé, teny Imerimanjaka Ambohijanaka, tamin’ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny fanamarihana ny herintaona nijoroan’io rafitra iadiana […]
Fametraham-pialan’ny Mgr Razanakolona Odon : voatendry ho arsevekan’ Antananarivo ny Mgr Raoelison
Nilatsaka ny fanapahan’ny any amin’ny fiketrahana Masina. Neken’ny Papa Fransoà ny fametraham-pialan’ny Monseigneur Odon Marie Arsène Razanakolona amin’ny fitantanana pastoraly ny Arsidiosezin’Antananarivo. Notendren’ny any Vatikana avy hatrany hisolo ny toerany, ho Arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Evekan’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao izy ary eo amin’ny faha-60 taonany. Nohamasinina ho […]
Fitsaram-bahoaka tao Fianarantsoa: niakatra fampanoavana ireo olona iray kamiao voasambotra
Niakatra eo anivon’ny fampanoavana ao Fianarantsoa, omaly hariva, ireo olona iray kamiaobe indray voasambotry ny polisy sy ny zandary tamin’ilay raharaha fitsaram-bahoaka nitranga tao Andranomaitso. Nanomboka tamin’ny 6 ora hariva no nandray ny antontan-taratasin’ireo voarohirohy avy amin’ny polisy ny fampanoavana raha mbola niandry kosa ny antontan-taratasy avy amin’ny zandary. Nitohy […]




