Mois : juin 2023

ENS Ampefiloha : manandratra ny hasin’ ny teny malagasy

Nifarana ny zoma teo ny hetsika fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy, teny anivon’ny Ecole normale su­périeure (ENS) Ampefiloha. Nokarakarain’ny mpianatra rehetra teo anivon’ny sekoly. Nampitondrainy ny lohahevitra hoe: “Teny malagasy, fototra mampandroso ny fanabeazana”.Tanjona ny hanandratana ny teny sy ny maha-Mala­gasy manoloana ny rivotra mitsoka avy any ivelany. Na­nambara […]

Association Enfants Antananarivo: mbola betsaka ny ankizy tsy misitraka ny zony eto amintsika

Hifarana ny 29 jona ho avy izao ny hetsika fampirantiana sary hosodoko hanehoana ny zon’ny ankizy, atao etsy amin’ ny zaridainan’Antaninarenina. Nandray an-tanana nanao izany, ireo ankizy rehetra eo anivon’ny Association enfants Antananarivo (AEA). Nampi­tondraina ny lohahevitra hoe: “Izaho sy ny zo”. “Mbola betsaka ny ankizy malagasy tsy misitraka ny […]

Fiadidiana ny Repoblika : “Adihevitra ny fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny”

“Malagasy ray sy reny ary mbola mizaka feno ny zom-pirenena malagasy sy manana fitiavan-tanindrazana ny filoha Andry Rajoelina”, hoy ny talen’ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe eo anivon’ny fiadidiana ny Re­poblika, Ranoromaro Lova Hasinirina, teny Ambohitso­rohitra, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny adihevitra momba ny fizakan’ny filohan’ ny Repoblika […]

INDRAY MIJERY

16 mianadahy ny ankizy beazina ao amin’ny akanin’ny Marenina (Akama) etsy 67ha niatrika ny fanadinana CEPE. Afa-panadinana avokoa ny 14 tamin’ireo. Nahatratra 87,5%, araka izany, ny taham-pahafahana. Hampitaina amin’ny teny tanana ny lesona ho an’ny ankizy. Hafana ny andro ao anatin’ny roa andro. Hidina ny maripana manomboka ny alakamisy tontolo. […]

Fahasalamana : 30 taona nandrindra fiainam-pianakaviana ny Marie Stopes

Manamarika ny faha-30 taona niaraha-niasa tamin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Marie Stopes Madagascar (MSI). Nampi­ro­borobo ny fandrindram-piterahana no tena nampalaza azy. Tany amin’ny taona 1992, teo amin’ny 5% ny tahan’ny fanaovana fandrindram-piterahana moderina. Efa mana­kaiky ny 55% izany amin’izao fotoana. “Tsy tokony hiteraka miohatra ny 2 intsony ny to­kan­trano satria izay […]