Mois : juin 2023

Seho etsy sy eroa…: nanokatra ny “Fetin’ny Fahaleovantena” ny “Fetin’ny Mozika”

Efa volon’andro fety! Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fidirana amin’ny fetim-pirenena. Nitohy, omaly, tamin’ny “Fetin’ny Mozika” izany, ary haharitra hatramin’ny 26 jona. Efa nisy tamin’ny faran’ny herinandro. Nalefa mialoha mantsy ny fa­namarihana ny “Fetin’ny Mozika”, teny Tanjombato ny sabotsy lasa teo, izay nokarakarain’ny Alliance Française. Nitohy omaly izany, tamin’ny […]

Ambodivonkely Ambohimanarina : lalana rarivato 800 m notokanana

Nivaly ny fangatahan’ny mponina eny Ambodivon­kely, boriborintany faha-6. Vita ka notokanana, omaly, ny lalana rarivato mirefy 800 me­tatra. Hanamaivana ny andavanandron’izy ireo izao fotodrafitrasa vita izao. Tonga teny an-toerana nitokana izany ny Gover­noran’ny faritra Analaman­ga, Rasoa­ma­ro­maka Hery. Ni­ara­ka taminy ny ben’ny Tanà­nan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Na­notrona azy ireo kosa ny […]

Fiaraha-miasa ara-tafika…: nanatrika ny “Salon de Bourget 2023”avy amin’ny Airbus ny MDN

Mitohy hatrany ny dian’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa (MDN) sy ny delegasiona tarihiny any Bourget, Frantsa. Nihaona tamin’ny tale lefitry ny fiaraha-miasa sy ny fiarovana, Jérôme Bresson, ao Paris indray izy ireo. Nivoitra nandritra izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa momba ny fiarovana an-tanety sy an-dranomasina ary ana […]

Bakalorea 2023 : mitoka-monina ny mpanomana laza adina

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fitokana-monina na “conclave”, araka ny fandaharam-potoana sy ny lamina napetraky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hana­tanteraka «quarantaine», ara­ka izany, ireo mpanomana ny laza adina amin’ny fanadinana bakalorea. Toy ny fanao isan-taona, misy ny fivoriana iarahan’ny minisitry ny Fampia­narana ambony sy ny […]