Mois : juillet 2023

Ramamimampionona Gérard : “Tsy ny politika no ilana filaminana”

“Lasa hirahira eny anivon’ny fiarahamonina ny filaminana sy ny fitoniana. Tsy amin’ny politika ihany izay. Eo indrindra koa ny maha olombelona : milamin-tsaina tsara ve hiatrika fifidianana? Zava-dehibe izay.” Io ny fijerin’ny mpandinika fiarahamonina, Ramami­mam­pionona Gérard, manoloana ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Misy famakafakana ao anatin’ny filaminana rehefa misafidy. Eo […]

Fihaonana tamin’ny mpanao gazety : kivy tamin’ny filoha Rajoelina ny mpanohitra

Samy namatrapatratra avokoa ny sasany amin’ireo mpanao politika taorian’ny fihaonan’ny filoha tamin’ny mpanao gazety teny Iavoloha, ny alahady teo. Tsy araka ny nantenain’izy ireo ny zava-misy. Notsiahivin’ny depiote “Del kely”, omaly, fa efa nanana traikefa hatramin’ny Tetezamita ny filoha nefa ireny no nambarany. “Kivy tanteraka aho na ny endriky ny […]

Sosialy mba aoka…

Tena tsy misy distrika adino amin’izao amin’ny hoe fampandrosoana? Eo ny vahoaka ifotony mitsara izay isiany sy iainany isan’andro. Efa misy ny fiovana, fivoarana, fihatsarana… Tsy tambo isaina, ohatra, ny fotodrafitrasa vita, na an-dalam-pamitana, na ny mbola hovitaina. Sekoly manara-penitra, hopitaly manara-penitra, tsena manara-penitra… Na izany aza, mbola ao anatin’ny […]

Ankadindambo: hita tany amin’ireo jiolahy ny Baibolin’ny Pasitera

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Ambohi­mangakely teny Ambohima­nam­bola, ny sabotsy teo, ireo jiolahy tarihin’i Sakay, raindahiny amin’ny fanafihana. Ao anatina tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana, mpanendaka,mpandroba ao amin’ny faritry ny kaominina Ambohimangakely ry zalahy ireto. Ahitana an’i Sakay, Salala, Fotsikely, Tranky, Mika, Ndera. Ny alarobia 12 jolay 2023 alina, Pasitera iray […]

TSELATRA

Mpampianatra iray nahatrarana entana halatra tao Andranodaro, distrikan’i Vondrozo, ny 11 jolay lasa teo. Entana efa very ny volana febroary teo ireto tra-tehaka tao amin’ny tranon’ny mpampianatra iray ireto. Nanao fisavana, saron’ny zandary tao avokoa ny fitaovana informatika sy kojakoja mifandraika amin’izany. Nentina natao fanadihadiana ilay Tompon-trano. Tra-tehaky ny polisy […]