Anisan’ny mamorona asa sy andry iankinan’ny fanjarian-tsakafo ny sehatry ny fambolena. Hisy ny famatsiam-bola manodidina ny 20 tapitrisa Euros ho an’i Madagasikara hoentina hampiroborobo ity sehatra ity avy amin’ny banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola (BEI). Eo koa ny tetikasa fametrahana tambajotrana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, amina toerana 120 isa […]
Mois : juillet 2023
Fikarakarana volo: niainga teny an-jaridaina ny akora nampiasaina
Miainga amin’ny fikarohana sy izay misy eo am-pelatanana ny famokarana ho an’ny fandraharahana. Tsy mora ny asa saingy mitaky fikirizana hatrany mba hahazoam-bokatra entina hanatsarana ny vita teo aloha. Sehatra iray anisan’ny miteraka asa ho an’ny tanora ny tontolon’ny fandraharahana. Ankehitriny, miroborobo fatratra izany, indrindra ho an’ny fikojakojana ny volo […]
Vaovao tambatra
Voatendry ho tale jeneraly, ny Dr. Edaly, hitantana ny Ivontoerana famongorana ny valala (IFVM) eto Madagasikara. Nisahana ny fitantanana vonjimaika nandritra ny valo volana, ny tale teknikan’ny IFVM, Andriamaroahina Tsitohaina. Natao omaly ny fifamindram-pitantanana. Milanja 744 846 t ny vary nafaran’i Madagasikara avy any ivelany, ny taona 2022. Io no […]
FAPBM: niisa 35 000 ireo nisitraka famatsiam-bola
Mamatsy vola ireo mpitantana ny Faritra arovana (AP) miisa 125 manerana ny Nosy ny Fikambanana ho an’ny Faritra arovana sy ny tontolo mananaina eto Madagasikara (FAPBM). Manana mpiara-miombon’antoka izy amin’izany, ireo mpamatsy vola avy any ivelany. Anisan’izany ny « Conservation internationale », ny WWF, ny KFW, ny AFD, ny Banky iraisam-pirenena, sns. […]
Fialantsasatra lehibe: hisondrotra 5% ny saran-dalan’ ny taksiborosy amin’ny 22 jolay
Hitombo ny fandanian’ny mpandeha mankany amin’ny faritra, amin’izao fialantsasatra lehibe izao. Hisondrotra ny saran-dalan’ny taksiborosy, manomboka amin’ny sabotsy 22 jolay izao. Miandry ny fahavitan’ny Bakalorea ! Hitombo ny mpandeha amin’izao fotoan’ny fialantsasatra lehibe izao, indrindra aorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana. Manararaotra izany ny ankamaroan’ny mpitatitra, ka fantatra fa hampiakatra 5% ny saran-dalana […]




