Iray amin’ireo distrika mampihodina ny toekarena sy ny fihariana eto Madagasikara, amin’ny fambolena sy fiompiana, ny distrikan’i Mampikony. Misedra olana ireo tantsaha amin’izao fotoana izao, noho ny herisetra miaro famotehana ny fiharian’izy ireo, izay ataona andian’olona miditra sy manao an-keriny ary mandroba fambolena. Manoloana izany, nisy ny hetsika nataon’ireo tantsaha […]
Mois : juillet 2023
Antoko politika : nanao sonia ny sata ny TIM sy ny PSD
Nanaiky sy nanao sonia ny satam-pitondrantena mendrika ho an’ny antoko politika ny Parti Social-Démocrate (PSD) sy ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM). Eliane Bezaza, sekretera nasionalin’ny PSD sy Ravalomanana Marc, filohan’ny Antoko TIM, no nanao izany sonia izany, ny 14 jolay lasa teo. Sata voarafitra vokatry ny fikaonandoha sy atrikasa […]
Loholona Tsiebo Mahaleo : “Misy matahotra fifidianana “
“Amiko, rediredin’ny mpanao politika matahotra fifidianana ny fivoizana zom-pirenena”, hoy ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Aminy, matoa nahazo nirotsa-kofidina ny filoha Rajoelina tamin’ny fifidianana 2018, ny dikan’izay: ara-dalàna ny antontan-taratasy napetrany. Mizaka ny zo feno izy, mahafeno ny fepetra rehetra hirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Adihevitra efa tsy […]
Fitsidiham-paritra nataon’ny filoha : nisitraka fotodrafitrasa sy fanampiana i Sainte Marie
Nitohy ny sabotsy teo ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina ny tany Sainte Marie. Anisan’ny nanatrika ny “Festival des baleines” ny tenany rehefa avy nitokana ny fiangonana katolika voalohany eto Madagasikara nohavaozina. “Tanàna mahafinaritra, mendrika hampandrosoana ary tsy ho hadino intsony ny aty. Nivavaka ho an’ny firenena sy ho an’ny Malagasy koa […]
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny fanamboarana ilay fantsona simba teny Ambatoroka. Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsian-drano amin’ireo toerana voakasiky ny fahatapahana. Nohamafisina ilay fantsona mba hisorohana ny hihetsehan’izany. Tsiahivina fa tapaka nandritra ny ora maro ny rano tany amin’ireo faritra voakasiky ny fahasimbana. Nodinihina ny fomba hampitomboana haingana sy hanatsarana ny savony […]




