Mois : juillet 2023

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina atsy Abidjan Côte d’Ivoire, ny 8 hatramin’ny 12 aogositra izao, ny fiadiana ny « IHF Trophy kaontinantaly », sokajy cadettes sy Juniors, taranja Handball. Anisan’ny nahazo ny tapakila, ny Akion’i Madagasikara, solontenan’ny faritra faha-6. Mafy ny miandry ny ekipam-pirenena, tsy mitovy amin’ny fifanintsanana tany amin’ny faritra faha-6 intsony ny zavatra hitranga. […]

Kitra – JIOI 2023 : miisa 30 ireo mpilalao voafantina

Navoakan-dRakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô, mpanazatra ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar hanao ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja baolina kitra. Fifaninanana goavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, hotanterahina eto amintsika ny 25 aogositra – 3 septambra ho avy jzao. Miisa enina ireo mpilalao mila ravinahitra, anisan’izany i […]

Basikety-JIOI 2023: 36 mianadahy hifantenana izay ho ekipa nasionaly

Nivoaka omaly ny lisitry ny mpilalao hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, taranja basikety 5×5 sy 3×3. 36 mianadahy izy ireo no voaantso. 18 lahy sy 18 vavy no miatrika fampivondronana hitilina izay handrafitra ny lisitra farany hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja basikety. […]

Jean Nirina Rafanomezantsoa: “Mampandroso firenena ny firaisankina”

Ankatoky ny fifidianana, samy manana ny firehany ara-politika avokoa ireo kandidà. Efa samy mamolavola ny paikady entiny handresena mandritra ny fifidianana na ny mpanohitra na ny am-perinasa. “Samy mampanantena fahagagana entina hampandrosoana firenena ireo kan­didà izay hirotsaka eo”, hoy ny filohan’ny Fitrama, Rafanome­zantsoa Jean Nirina nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny […]

Nanolana ankizy… : migadra telo taona i Thomas

Mirongatra izaitsizy ny endrika fanolanana sy fametave­tana ankizy, araka ny antontan-taratasin’ady miakatra eo anivon’ny sampana fitsarana ady heloka bevava Toamasina ho an’ny andiany voalohany. Ho an’ny alakamisy 6 jolay 2023 teo, antontan-taratasin’ady efatra indray ahitana fanolanana avokoa. Ny roa amin’ireo raim-pianakaviana roa samihafa indray voarohirohy. Voalohany, ny antontan-taratasin’ady laharana faha […]