Notolorana ny mari-pahaizana voalohany ireo zaza 15 mianatra ao amin’ny kilasy farany ambany “petite section” ao amin’ny sekoly Meraki Ambohidrapeto Itaosy, afakomaly. Sekoly mamolavola ankizy sahirana ara-pivelomana. Nanatrika izao fanolorana ny mari-pahaizana izao, ny mompera Pedro avy ao amin’ny Akamasoa, ny Consul honoraire an’i Espagne sady tale jeneralin’ny Groupe Filatex. […]
Mois : juillet 2023
INDRAY MIJERY
Nampahafantatra ny SMGD, miandraikitra ny fitantanana ny toeram-piantsonana eto Antananarivo Renivohitra, fa mihato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fandoavana sandan-toerana amin’ny alalan’ny finday. Ireo tapakila alaina eny amin’ny “horodateur” ihany no manan-kery. Misy ny fanamboarana ka izay no anton’ny fandaminana. Manatanteraka fiofanana amin’ny fikirakirana sy fikajiana ary fitantanana ny […]
CUA-hetsika ara-pahasalamana : nisitraka tolotra maro ny Boriborintany faha-V
Nidina ifotony nijery ny fizotran’ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny asa sosialy sy ny fahasalamana, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Anjaran’ny mponina eny amin’ny Boriborintany faha-V no nisitraka izany. Nizara roa ny toerana ka ny sasany eny amin’ny fokontany Ambohimirary […]
Seces Antananarivo : mitaky ny fialan’ny praiminisitra
Takin’ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka, sampana Antananarivo, ny fialan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Fampianarana ambony ary ny minisitry ny Vola sy ny toekarena. Tsy nahatanteraka ny andraikiny izy ireo momba ny fanomezana vahaolana amin’ny fitakian’ny Seces ny antony. Nanao fanambarana izy ireo taorian’ny fivoriana, ny […]
Fokontany Tsarahasina, Ambohimangakely: novakina ny vatobe roa milanja 2200t
Tsy maintsy novakina amin’ny tanana ny vatobe roa ahina hiala amin’ny toerana ka hitera-doza ho an’ny vahoaka manodidina an’i Tsarahasina. Vatobe roa, milanja 2000t sy 200t, no novakina tao anatin’ny fokontany Tsarahasina, kaominina Ambohimangakely, ho fanalefahana ny loza sy ny tandindon-doza ho an’ny mponina manodidina rehetra monina eo, araka ny […]




