Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, i Yvette Sylla, ny talen’ny biraon’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa, Dr Coffi Agossou. Notanterahina Ny 11 jolay 2023, teny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny izany fihaonana izany. Mahakasika ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) no noresahina tamin’izany. […]
Mois : juillet 2023
Andrianainarivelo Hajo: “Mila faranana ny fitantanana tsy mahomby”
Nitondra ny heviny momba ny nivoahan’ny datim-pifidianana ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarinarivelo Hajo, omaly. Nambarany fa efa notakin’izy ireo herintaona lasa izany tetiandro izany fa namoaka ihany ny governemanta rehefa tratry ny tsindry avy amin’ny mpamatsy vola. Manaporofo izany fa tsy vonona amin’ny fifidianana ny fanjakana raha tsy voatery. Notakiny […]
Fihaonambem-paritry ny FFKM: nofaritan’ny mpizaika ny masontsivan’ny ho kandidà
Nifarana, omaly, rehefa naharitra roa andro ny fihaonambem-paritra ho an’Antananarivo karakarain’ny FFKM, etsy amin’ny FLM Ambatovinaky. Voaresaka ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. “Mizaka ny zom-pirenena malagasy, olon’ny fahamarinana, mahay mihaino…”, hoy ny sasany amin’ireo mpanao politika sy ny fiarahamonim-pirenena momba ny tokony ho kandidà amin’ny fifidianana. Notakin’izy ireo koa […]
Lalàm-pifidianana: tsy mbola tara ny fanatsarana
“Tsy mbola tara ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara. Raha tsy mitovy tantana ny fifaninanana ao anatin’ny fampielezan-kevitra, sns, ho be indray ny tsy ho faly amin’izay ho voka-pifidianana na iza na iza voafidy eo. Mety hisy korontana aorian’izay. Izay no mila sorohina mialoha”. Io ny fanazavan’ny ny tale mpanatanteraka […]
Fifidianana filoham-pirenena : 200 tapitrisa Ar ny anto-bola firotsahan-kofidina
200 tapitrisa Ar ny fandraisana anjara amin’ny fanontana bileta tokana, araka ny tolo-kevitry ny Ceni, tamin’ny fanapahan’ny governemanta teny Mahazoarivo, afakomaly, momba ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Tamin’ny 2013 no nisy fanovana farany izany, izay 50 tapitrisa Ar. Ny alakamisy 9 novambra ny fihodinana voalohany. Ny alarobia 20 desambra ny fihodinana […]




