Hatramin’izao, tsy misy fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Manahy ny fiverenan’ny tsy fetezana teo aloha ny KMF/Cnoe. Fanehoan-kevitra sy fanazavana… “Mbola hiverina izany ny tsy fetezana hatramin’izay, fa tsy nohatsaraina ny lalàm-pifidianana. Mbola hiampy tsy fetezana vaovao…” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, momba ny fiatrehana […]
Mois : juillet 2023
TARATRY ny KANTO
Hahazo fampitaovana ireo fotodrafitrasa vita fanamboarana, eo ambany fitantanan’ny MSK. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny fanomezana tetibola fanampiny hividianana fitaovana, ho an’ireo Tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina any Taolagnaro, Toliara, Ambositra, Manakara ary Ambovombe. Eo koa ny ANAC sy ny Havoria, samy etsy Anosy. Hotontosaina ny sabotsy izao ny “Festival […]
“Volana iray, mpanoratra iray”: fantaro i Natioramena Narda
Natioramena Narda no anarany. Natiora kosa no solon’ anarana entiny eo amin’ny asa soratra sy asa sary. Mpanoratra, poeta ary milomano ao anatin’ny teny satria mpampianatra ny taranja Malagasy, Anglisy ary Frantsay izy. Namolavola an’i Natiora ho tonga mpanoratra ny fahazazana teny ambanivohitra, henika tsianjery sy famoronana kilalao ary asa […]
Fampianarana mozika : nifampizara ny Anac sy ny sekoly avy any Italia
Tontosa, omaly, teny amin’ ny Academie nationale des arts et de la culture (Anac), Anosy, ny fampiofanana momba ny mozika, notarihin’i Francesca Sivori, avy amin’ny Ecole de musique Allegromoderato, avy any Italia. Fizarana fahaiza-manao amin’ny fitendrena karazana zavamaneno maro samihafa no natao tamin’ izany. Maro ny Malagasy, araka ny nambaran’ny […]
Rehefa hita ny fototra… : mila miaina amin’ny kolontsainy ny Malagasy
Tsy handeha hitsangatsangana ireo vahiny tonga teto Madagasikara. Nitondra sy nametraka ny momba azy, izy ireo. Tao anatin’ny fotoana fohy nahazo faka ireny. Laharam-pahamehana ho an’ny vahiny tonga teto Madagasikara ny famotehana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Mbola manao randra-mitarika izany taty aoriana satria namela dimby sy fara […]




