Hatao any Japana, ny 23 hatramin’ny 30 jolay izao, ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja lomano, 50 metatra. Solontena malagasy i Jonathan sy i Tendry. Tsy diso anjara amin’ny fifaninanana goavana tanterahina any Japana i Madagasikara. Solontena roa no hiaro ny voninahi-pirenena mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, […]
Mois : juillet 2023
Antoko MMM : “Tsy tokony ho izao isika”
Nitohy tany Sava ny fihaonan’ny MMM amin’ireo mpikambana sy ny vahoaka any an-toerana, ny asabotsy teo. Hentitra ny nambaran’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo. “Tsy tonga amin’izao ny seha-pihariana lavanila raha nampihatra ny fitsinjaram-pahefana ny mpitondra”, hoy izy. Nambarany fa niroborobo izany raha notohanana ny tantsaha. Nohenoina ny eny ifotony sy […]
FIFOMAMA : « Mangataka ny fahalalahan’izay te hirotsaka ho fidiana »
Anisan’ny fikambanana manohana ny fanatanterahana ny fifidianana ny Fiombonana fotokevitra maha Malagasy, Fifomama. Mangataka ny fahafahan’ny Malagasy rehetra te hirotsaka hofidina ny mpikambana, izay nivory omaly, tetsy 67 ha. Mangataka ny firotsahan’ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry, izy ireo. «Mahafeno fepetra izy. Manana ny zom-pirenena malagasy izay tsy hiadian-kevitra. Raha mahakasika […]
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fivoahan’ny valim-panadinana BEPC 2023. Efa azo jerena ao amin’ny tranonkalan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena na ny tambajotra serasera facebook ny vokatra. Anatin’ny efa vita ny Cisco Maintirano, Ikalamavony, Ankazobe, Benenitra, omaly. Nanambara ny tomponandraikitra fa roa herinandro eo ho eo ny faharetan’ny fitsarana. Efa lasa eny anivon’ny oniversite tsirairay ny […]
Avy amin’ny tohan’ny UNFPA : vehivavy 152 746 niteraka natrehan’ny mpiasan’ny fahasalamana
Anisan’ny mikarakara ny fahasalaman’ny mponina amin’ny fanohanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eto amintsika ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA). Andraikitra lehibe sahaniny ny fampitaovana ny CSB sy ny fanomezana fanafody ary fametrahana mpiasan’ny fahasalamana any ambanivohitra. Ny ahazoan’ny vehivavy miteraka anatin’ny fenitra tsy hitera-doza ho azy ireo no tanjona. […]




