Mois : juillet 2023

Mpiasan’ny CUA : efa voaloa ny karama

Nisy ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpiasa sasany eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny alatsinainy lasa teo. « Antony nahatonga ny fahataran’ny karaman’ny mpiasa ny fisedrana olana manoloana ny fampidiram-bola », hoy ny tale misahana ny mpiasa eo anivon’ny kaominina, Razafimandimby Rija Ethel Niaina. Nilaza izy fa mbola voaloa […]

Fanohanana ireo marefo-BNGRC : hanainga ny andiany faharoa hitondra sakafo

Manomana sahady ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza ny mpisehatra eny ifotony miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena. Misy vokany amin’ny vahoaka ny fahaizana mifehy ny fivoarana samihafa. Mitohy koa ny fanohanana ireo tokantrano marefo. «Fakan-tahaka aty Afrika i Madaga­sikara amin’ny fi­tan­tanana ny loza sy ny tandindon-doza satria manana paikady ampiharin’ny […]

Tetikasa Fanavotana: manampy ireo vehivavy marefo ara-pivelomana

Mifantoka amin’ny fanangonana sy fanodinana fako ny fandaharanasa « Fanavo­ta­na » iarahany amin’ny « Agir pour le développement durable et l’emploi vert » (ADDEV). Miisa 32 ireo vehivavy mpikambana misehatra amin’ny fanodinana ny fako. « Tanjona ny hampidi-bola sy hanatsarana ny fari-piainany. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy Andolalaina, mpanentana ara-tsosialin’ny tetikasa. Maka […]

“Robot” ho an’ny fambolena : hiatrika ny famaranana i Ziona A. sy Law A.

Hatao any Senegal, ny 23 hatramin’ny 30 jolay ho avy izao, ny fifaninanana robotika, andiany farany. Nahazo laharana faharoa tamin’ny fifaninanana robotika “Panafrican robotics competition” (PARC), andiany faharoa i Madaga­sikara. Hiatrika izany i Ziona Alberson sy Law Anthony, Malagasy injeniera eny amin’ny politeknika Vontovorona. Hitondra vahaolana maharitra momba ny teknolojia […]

Mahanoro: nahazo milina hano­dinana mangahazo

Anisan’ny mampiroborobo ny toekaren’ny toerana iray ny fananany ozinina sy milina manodim-bokatra. Ny zoma teo, napetraka ao Mahanoro ny milina hanodinana ireo mangahazo any an-toerana. Hahazoana lafarinina 300kg sy tavolona mangahazo (fécule de manioc) hatramin’ny 250kg ary hanodina mangahazo 1t sy sasany isan’ora io milina io. Fantatra fa mahatratra 27 […]