Anisan’ny manjifa betsaka ny nikela sy kobalta vokarin’Ambatovy ireo firenena lehibe misehatra eo amin’ny famokarana angovo madio. Tato anatin’ny enim-bolana voalohany, nilatsaka ny vidin’ireo akora fototra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hatramin’ny volana janoary teo, tsy nitsaha-nihena ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manodidina ny 30 000 dolara ny iray […]
Mois : juillet 2023
VAOVAO TAMBATRA
Hatao etsy amin’ny IFM Analakely (11-27 jolay) ny fampirantiana momba ny tontolo mananaina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Varuna” ny hetsika, tohanan’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Mandrindra azy ny Ivontoeram-pikarohana IRD, miaraka amin’ny UMR SENS. Manana fitaovana alambika vaovao fanamboarana ilomenaka ny Foibe CTHT any Toamasina. Mitsitsy, satria 300 […]
SNFAR 2 : omen-danja ny fampiofanana ny tantsaha
Nampahafantarina, omaly, ny Paikadim-pirenena ho an’ny fampiofanana fambolena, ny fiompiana ary ny jono eny ambanivohitra (SNFAR). Fanatsarana ity andiany faharoa ity, satria tamin’ny taona 2012 ny andiany voalohany. Tanjona ny hametrahana paikadim-pirenena ho an’ny taona 2023-2035. Miompana amin’ny fampiofanana ny tantsaha sy ny mpamokatra ny SNFAR, hanatsarana ny fomba famokarana […]
Tetikasa “Taratra”: nodinihina ny sehatry ny harena ambanin’ ny tany ao Atsimo Andrefana
Tanjon’ny tetikasa “Taratra”, tanterahin’ny Fivondronamben’ny eveka, ny hahazoan’ny Malagasy tombontsoa avy amin’ny fitrandrahana ny harena voajanahary. Tokony hitondra fampandrosoana ho an’ny mponina eny ifotony ny tombontsoa avy amin’ny fitrandrahana vaventy. Novolavolain’ny Fivondronamben’ny eveka ny taona 2009 ny tetikasa “Taratra”. Miasa any amin’ny kaominina miisa fito, any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, […]
TARATRY ny KANTO
Handray ny fampirantiana “Biodiversités” indray ny IFM. Hiompana kokoa amin’ny tontolo mananaina ny fampirantiana etsy Analakely, hotonterahin’ny “Musée national d’histoire naturelle ny “Institut de recherche pour le développement”. Manana hatramin’ny 27 jolay ireo liana amin’ny nipoirana sy ny fivoaran’ny zava-mananaina maromaro eto Madagasikara. Lany ho filohan’ny fikambanan’ny Zanadranavalona Ny Andriana […]




