Mila tsy ho zakan’ny aina intsony ny hatsiaka iainana eto an-drenivohitra sy ny renivohi-paritra maro eto Madagasikara. Tsy hoe ririnin-dasa tsy tsaroana akory, fa ren’ny aina ilay hirifiry entiny. Mahazo vahana ny aretina isan-karazany noho ny faharefoan’ny hery fiarovana. Lasibatra sy mahita faisana ny zaza sy ny zokiolona. Na izany […]
Mois : juillet 2023
2002-2022 : nahatratra 995 000 ha ny ala ringana
Nihazakazaka ny fahapotehan’ny ala eto Madagasikara tato anatin’ny 20 taona farany. Mitombo ny entona karbona CO2 aparitany, izay miteraka ny fiovan’ny toetr’andro, Zava-doza ! Araka ny tatitry ny Fikambanana iraisam-pirenena manara-maso ny ala, ny Global forest watch (GFW), nahatratra 16,4 tapitrisa ha ny velaran’ny ala teto Madagasikara, ny taona 2010, manome […]
TSELATRA
Mpianatra iray mpanala fanadinam-panjakana BEPC no niharan’ny fanendahana nataon’ny jiolahy teny Ankadivato, omaly hariva. Nandeha irery izy tamin’io fotoana io no nifanena tamina jiolahy roa tanaty elakela-trano iray mihazo an’Ankadivato. Nalain’ireo olon-dratsy ny kitapokely misy ny kojakoja ampiasainy amin’ny fanadinana, miaraka amin’ny finday. Nosintonin’ny zandary ny taratasy fahazoan-dalan’ilay mpamily taksibrosy, […]
Nahitana ratra ny lohany… : lehilahy hita faty nifatotra tongotra aman-tanana
Hita faty nentin’ny rano, tao ambanin’ny tanàna Valanady, kaominina Namorona, distrikan’i Manakara, omaly, ny lehilahy iray tokony ho 23 taona. Mbola hita teny aminy ny akanjony, saingy tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Araka ny fitsirihana nataon’ny dokotera, niaraka tamin’ny zandary, ny razana, nahitana ratra teo amin’ny lohany. Nifatotra tanana aman-tongotra […]
Ihosy : ankizilahy nisy naka an-keriny
Tafaporitsaka teo am-pelatanan’ireo telo lahy nandeha fiara 4×4 ny ankizilahy iray fito taona, ny talata teo, tao Ihosy. Avy any amin’ny faritra Soamatasy, Ihosy RN 13 ilay lasibatra. Araka ny filazany nandritra ny famotorana teny amin’ny zandary, fiara 4×4 iray miloko mena no nitondra azy. Teo am-piambenana omby izy no […]




