Mois : juillet 2023

Grand Sud Est: “Betsaka ny zavatra tsy mandeha eto »

Niresaka tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Antenimi­eram­pirenena Tsim­ba­­zaza, ireo zanaky ny grand sud Est, omaly.Mitaky ny ha­mahana ny olana eo am-panajana ny lalàna velona izy ireo. “Betsaka ny zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy eto amin’ny firenena”, hoy ny mpitondra tenin’ny fikambanana, Vanovason Jean Adrien. “Tsy misy tohiny […]

Andriamalazaray Andoniaina: “Aleo miala izahay Ceni rehefa tsy hahatanteraka fifidianana”

Voatsikera hatrany ny Ceni… Na izany aza, ataony ny asany. “Aleo miala izahay Ceni rehefa tsy hahatanteraka fifidianana”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina. Fanazavana… “Rehefa hitanay hoe tsy tanteraka ny asa andrasana sy ampanaovina anay, na tsy mendrika ny fitokisan’ny olona izahay: mametra-pialana na miala no tsara […]

Minisitry ny Atitany : “Tsy misy fanovana ny lalàm-pifidianana”

“Tsy mbola misy resaka ny amin’ny fanovana ny didy aman-dalàna momba ny fifidianana isika izao. Ny lalàna mifehy ny fifidianana efa misy amin’izao fotoana izao ihany no entina mikarakara fifidianana.” Izay ny fanazavan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Tokely Justin, teny Ivato, afakomaly, momba ny fiatrehana fifidianana filohan’ny […]

TARATRY ny KANTO

Eto Madagasikara i Mikidache. Mpanakanto avy any Mayotte, malaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena kanefa manana fifandraisana manokana amin’i Madagasikara izy. Nambarany fa manomana ny fandraisany anjara amin’ny “Waka Waka Festival” izy. Mialoha izany, misy ny fiarahany miasa amina mpanakanto malagasy maro, amin’izao fotoana. Ho any Toamasina i Mirado. Hanatanteraka «Cabaret […]

« Festival des Baleines » : tanjona ny hanehoana ny maha izy azy ny Nosy Boraha

Hotontosaina ny 15 hatramin’ny 23 jolay 2023, any amin’ny Nosy Sainte-Marie na Nosy Boraha, ny «Festival des Baleines 2023». Hetsika ara-javakanto sy ara-panatanjahantena maro samihafa no hanamarihana ity hetsika lehibe ity. Ho hita mandritr’izany ihany koa ireo seho sy haikanto ary kolontsaina mampiavaka ny Nosy Boraha. “Tanjona ny haneho ny […]