Mois : juillet 2023

UCTU: hojerena aorian’ny fifidianana ny mahakasika ny saran-dalana

Nihaona tamin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, (CUA), Andrian­tsitohaina Naina, omaly ireo mpikambana ao amin’ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU). Nilaza ny fitantanana ny CUA, fa tsy mbola fotoana tokony hampiakarana ny saran-dalana izao. Koa, nangataka ny ben’ny Tanàna mba ho aorian’ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny fanaovany fianianana amin’ny 2024 vao hifampidinika ny […]

«Train Urbain » : handeha amin’ny gazoala

Vinavinaina horaisina amin’ny fomba ofisialy amin’ny volana aogositra izao ilay tetikasa fitaterana an-dalamby “train urbain” (TU). Efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny faran’ny volana may teo ihany koa ireo fiarandalamby hampiasaina amin’ity tetikasa ity. “Amin’ny fiandohan’ny tetikasa dia mbola handeha amin’ny solika, gazoala, ny fiarandalamby. Ary fiantsonana 5 amin’ireo […]

INDRAY MIJERY

Rahampitso, manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora atoandro, dia ho tapaka amin’ny ampahany ny lalana eo anoloan’ny Instat, RNM, Fitsarana, Anosy ary St Michel. Hisy ny hazakazaka masina ataon’ny FJKM Ambondrona SP19 amin’ireo toerana ireo. Nampilaza ny fiadidiana ny tanànan’ Antananarivo Renivohitra fa foana ireo toeram-piantsonana eo […]

JNE III : 15 000 ireo ankizy katolika mizaika eto Antananarivo

“Rankizy! Ndao hiara-dia hitory ny vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy”. Io no lohahevitry ny Androm-pirenena ho an’ny ankizy (JNE III) katolika andiany fahatelo. Natao omaly, tetsy amin’ny Esca Antanimena, ny sorona masina fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika, miaraka amin’ny fivondronamben’ny Eveka manerana ny Nosy, tarihin’ny arseveka Mgr Rabemahafaly Fulgence. […]