Mois : juillet 2023

« Lecture en rire »: hanitarana ny sain’ny ankizy sy ny tanora

Ahitana hetsika “lecture en rire” indray mandeha isam-bolana, alarobia faharoa amin’ny volana, mifandimby isaky ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Maimaimpoana ny hetsika, karakarain’ny sampandraharaha misahana ny haikanto sy ny kolontsaina ary ny vaky boky eo anivon’ny CUA. Nanomboka tamin’ity volana jolay ity ary haharitra hatramin’ny volana desambra ho avy […]

Akademia Malagasy: hikatona ny taom-piasana 2022 – 2023

Hofaranana, rahampitso, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina, eny amin’ny Lapan’ny Akademia Mala­ga­sy, Tsimbazaza ny taom-piasana 2022 – 2023. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana fizarana voalohany ny fa­nolorana ny loka tamin’ny fifaninanana famoronana sorakanto nampanaovin’ny Foibe momba ny teny, an’ny Akade­mia Malagasy, nandritra ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Hitazona ny […]

Fivoarana amin’ny tsara: mila mivelatra ho tonga mpandraharaha ny mpanakanto

Ny talenta misy, fa hatreo amin’ny fanehoana izany eny an-tsehatra ihany! Saika iharan’io tranga io ny ankamaroan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ary ny mpanakanto manao azy. Vitsy ny sahy miroso amin’ny lalindalina kokoa. Azo isaina amin’ny rantsan-tanana ny mpanakanto eto an-toerana tafiditra ao anatin’ny fandraharahana amin’ny kanto ataony. Anisan’ny […]

Lefakozatra : aretina mahafaty raha tsy voatsabo ara-dalàna

Antony iray ma­hatonga ny aretina lefakozatra ny fiparitahan’ny tay eny ankalamanjana. Voakasika indrindra amin’izany, ny eto amin’ny faritra Analamanga. Tsy misy fanafody ny aretina fa ny fa­naovam-baksiny ihany no vahaolana amin’izany ka hanentanana ny rehetra. Entanina hanao vaksiny fanefitra sy miaro amin’ny lefakozatra (poliomyélite) ny olon-drehetra eo anelanelan’ny 0 hatramin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana, fa manohana ny Ceni izy ireo. Na izany aza, tsy hanaiky lembenana amin’ny zavatra tsy mety sy ny tsy fanarahan-dalàna. “Tsy azo ekena ny hala-bato sy ny kolikoly amin’ny fifidianana”, hoy izy tamin’ny fikaonandoha, notarihin’ny Ceni, tetsy Ambodivona, omaly. Misy ny fanaovana « Service minimum» […]