Miantsehatra amin’ny fametrahana ny fotodrafitrasa sosialy ilain’ny mponina eny ifotony ny tetikasa «Produir», miaraka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa vita avokoa ny 91% amin’ireo fotodrafitrasa miisa 206 tokony hatsangana mandritra ny andiany voalohany. Mbola hisy fotodrafitrasa miisa 238 kosa hamboarina mandritra ny tetikasa andiany faharoa. Efa nisitraka ny tetikasa sosialy […]
Mois : juillet 2023
Nahomby ny tetikasa « Sahaza » : efa mihinana ny vokatry ny famboleny ny tantsaha
Nahomby ny vokatry ny tetikasa andrana amin’ny faritra telo : Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Itasy amin’ny Sehatrasa hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny zaza amam-behivavy (Sahaza). Nanomboka ny taona 2019 ary hifarana ny marsa 2024 ny sahanasa atao iarahan’ny fanjakana malagasy sy ny fanjakana japoney (JICA) manatanteraka. Tetikasa iadiana […]
TARATRY ny KANTO
Teatra malagasy. Holalaovin’ny tropy Antananarivo Teatra, etsy amin’ny AFT Andavamamba, ny alahady izao, ny tantara an-tsehatra nampitondraina ny lohateny « Tanora fanantenana ». Tantara mampihetsi-po, nosoratan’i Dolores de Valih. Fifankatiavan’olon-droa irian’izy ireo ho mandrakizay, kanefa noho ny kajikajy ataon-drafozana, ho tonga any amin’io tanjona io ve izy roa ? Tontolon’ny mozika mavesatra. Hiaraka […]
Lalaon’ny Frankofonia: miisa 20 ny Malagasy mpanakanto handray anjara
Nihaona sy nahazo tsodrano tamin-dRakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, ny delegasion’ny kolontsaina, izay hiatrika ny lalaon’ny Frankofonia, andiany fahasivy, omaly. Fifaninanana hatao ao Kinshasa, RD Congo, ny 28 jolay 2023 hatramin’ny 5 aogositra 2023 izao. « Adidy sy andraikitra ny fiantsorohana ireto maherifon’ny firenena ireto amin’izao fifaninanana hatrehany […]
CUA – Hetsika ara-kolontsaina: manome hasina sy lanja ho an’ny teny malagasy ny kabary
Miaina ao anatin’ny karazana fiteny isan-karazany ny vahoaka malagasy ankehitriny. Tsy manome lanja ny fiteniny ny ankamaroan’ny olona, raha ny zavatra tsapa. Manampy hanome hasina ny tenim-pirenena, ny fianarana kabary. Mikarakara hetsika fampianarana kabary sy kilalao malagasy maimaimpoana ny eo anivon’ny fitaleavana misahana ny haikanto, kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina eo […]




