Mois : juillet 2023

Antenimierandoholona : lany nasiam-panitsiana ny tolo-dalànan’i Rossy

Raha hivoaka ho lalàna, tsy mbola ato ho ato. Nitondra fanitsiana maromaro ilay volavolan-dalàna nataon’ny solombavambahoaka Rossy, ireo loholona, omaly. Tolo-dalàna laharana faha 002-2022/PL, tamin’ny 01 jona 2022, mahakasika ny fanavaozana ny lalàna laharana faha-94-036, mahakasika ny « propriété littéraire et artistique ». Natolotry ny so­lombavambahoaka sady mpanakanto Rahasimanana Paul […]

FANTINA sy FINTINA

 Nametraka fitoriana teny amin’ny fampanoa-vana, Antananarivo, afakomaly, ny mpisolovava ny fikambanana ADDN, tarihin’i Ernaivo Fanirisoa, ny Me Rafidison Jean-Eric. Anton’izany ny fanaovana hosoka sy fisandohana. Efa tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy ny filohan’ny Repoblika. Nefa mbola afa-nirotsa-kofidiana izy tamin’ny 2018.  Hanohana ny Ceni amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Pnud. Nampahafantarina tamin’ny […]

Antenimierampirenena : tsy voaongana ireo depiote telo ao amin’ny birao maharitra

Nitsefotra ! Tsy tratra ny fetrisa,101, tamin’ny latsa-bato tokony hanonganana ireo mpikambana sasany eo ani­von’ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimiera. Voatana amin’ny sezany izany ny filoha lefitra, ho an’ny faritanin’i To­liara, Rabenirina Jean Jacques sy ny an’ny faritanin’i Fiana­rantsoa, Razafintsiandraofa Brunelle. Mbola eo amin’ny toerany koa ny kestora III, Rabeniriana […]

Ravindravina atentina

  Tao anatin’ny volana vitsy izay, mahazo vahana ny vola sandoka manerana an’i Madagasikara. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Tsy mifidy toerana hanaparitahana vola. Tsy mifidy sokajin’olona ny mpanaparitaka izany fa misy hatramin’ny vahiny. Ireto farany izay sady manambaka no milalao ody ratsy. Mila mitandrina ny rehetra manoloana izany. […]

Antson’ny Praiminisitra : “Aoka tsy hovakin’ny politika ny tafika”

Nifarana, omaly, ny fivorian’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny Tafika, natao teny Soanierana. Nisy ny antso avo nataon’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, tamin’izy ireo. Nambarany tamin’izany fa miaina anaty tontolo fanomanana ny fifidianana isika amin’izao fotoana izao. Efa hita taratra sahady ny fihetsiketsehan’ireo mpanao politika, ka nankahery ireo tomponandraikitry ny filaminana rehetra […]