Ho fampihenana ny tsindry ataon’ny mpanjono madinika amin’ny rohivoahary an-dranomasina, nofanina amin’ny fiompiana zanga (dingadingana) « concombre de mer » ny mpanjono anatin’ny tetikasa Nosy manga, miaraka amin’ny Indian Ocean Trepang (IOT). Ny orinasa no manome ny zanaka zanga ho an’ny mpanjono ary ireto farany no miompy azy anatin’ny ranomasina sy mivarotra indray […]
Mois : juillet 2023
Ifaty: faritra misy vatohara telo arovana
Niorina ny taona 2007 ny Fikambanana miaro hanasoa ny ranomasina (Fimihara), ao amin’ny fokontany Ifaty. 806 ireo mpanjono mpikambana anatin’ny kaominina roa (Belalanda sy Manombo) miparitaka anatin’ny fokontany 13. Nahatsapa ireo mpanjono fa rehefa simba ny vatohara, lasa nandositra any amin’ny fari-dranomasina lalina ny hazandrano ka sahirana izy ireo, hoy […]
Copefrito : Mamelona mpanjono 10 000
Fampiroboroboana ny asa fiveloman’ny mpanjono, nataon’ny orinasa « Compagnie de pêche frigorifique de Toliara” (Copefrito) no niteraka ny fiompiana zanga sy fambolena lomotra, nanampiana ny vola miditra amin’ny mpanjono. « 25 taona niasana teto Madagasikara ny orinasa amin’ny fanondranana hazandranomasina, indrindra ny horita sy ny drakaka », hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fitrandrahana, […]
Tetikasa ARMS Restore: 6 ha ny vatohara amboarina miaraka amin’ny Reef doctor
Tokony hampianarina hitia ny tontolo an-dranomasina ny ankizy raha vao eny amin’nyambaratonga voalohany. Mpianatra mpikaroka manomana doctorat, Randrianandrasana José, izay « océanographe » sady « biologiste marin » ary miara-miasa amin’ny ONG Reef doctor sy ny Ivontoerana manofana sy mikaroka momba ny tontolo an-dranomasina sy ny jono (IHSM) ao Toliara. Misehatra anatin’ny tetikasa Artificial […]
Indray mijery
Avy amin’ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroky ny Ivontoerana manofana sy mikaroka momba ny tontolo an-dranomasina sy ny jono (IHSM) Toliara no nahazoana nanao andrana tamin’ny fiompiana zanga, tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Zava-dehibe ny fiarovana ny rohivoahary an-dranomasina ao Andavadoaka, najoro ny club Alo, ivondronan’ny tanora maro manentana miaraka amin’ny mpiasan’ny […]




