Mois : juillet 2023

Fito ny “reserve dure” : 100 000 Ar ny sazy voafaritry ny dina

Fokontany fito manana tanàna 23 no mivondrona ao anatin’ny fikambanana Velon­driake, niforona ny taona 2003, hiaro ny fari-dranomasina, hampitombo ny vokatra samihafa. Nanangana kaoperativa ny mpanjono 2 500 izay miara-miasa amin’ ny ONG Blue ventures. Ny vehi­vavy no misa­hana ny fitan­tanana ny fari-dranomasina misy ny horita arovana fa ny lehilahy manjono, […]

Andavadoaka : Faritra arovana an-dranomasina voalohany eto Madagasikara

Teo aloha, vokatry ny fihenan’ny hazandranoma­sina, mandeha miandriaka indroa na intelo isan’ andro ny mpanjono madinika. Nisy fiantraikany tamin’ny rohivoahary an-dranomasina izany ka simba ny vatohara sy ny ahidrano. Nanomboka niasa ao amin’ny tanànan’Andavadoaka, kaominina Befandefa, distrikan’i Morombe, faritra Atsimo Andrefana, ny ONG britanika Blue Ventures (BV), ny taona 2003 […]

TARATRY ny KANTO

AFT Andavamamba – Hetsika maroloko Hanokana ny andro anio ireo Alliances Françaises rehetra maneran-tany, hanamarihana ny faha-140 taona nisian’ity rafitra maneran-tany ity. Hisy ny hetsika maroloko ho an’ny AFT Andavamamba, manomboka amin’ny 10 ora. Ankoatra ireo hetsika ara-kolontsaina marobe, hanana ny toerany koa ny lafiny fanabeazana sy ny fampianarana ny […]

Tomboka havatse : mampiseho ny tantaram-piainan’ny olona mitondra azy

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Teinturerie Am­pa­­sanimalo, ny hetsika “Ha­vatse Dago Tattoo Fest”, andiany voalohany. Hivon­dronan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fanaovana tatouage sy percing eto Madaga­si­kara. Tanjona ny hampahatsiahivana ny rehetra fa tafiditra anaty kolontsaina malagasy ny fanaovana izany. Eritreretin’ny olona fa jiolahimboto na tsy misy dikany ny olona manao tomboka havatse, […]

« Concert d’orgue » : omena lanja i Noël Rakotoarivony

« Tsy mbola nisy », « Natolotrao ho avotray », « Falifaly »… Hanakoako mandritra ny « Concert d’orgue » hotanterahina ny 9 jolay izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, eny amin’ny FJKM Ambaniala Malala, ny sanganasan’i Noël Rakotoarivony. Ny antoko mpihira Zanak’i Ziona no hihira izany eny an-toerana. Seho karakarain’ny Sampana tanora kristianina sy ny Fikambanan’ny mpitendry […]