Mois : juillet 2023

FANTINA sy FINTINA

“Andao hatao ny fifidianana rehefa vonona”, hoy ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotondravoavy Andrianjafinjakolona, manoloana ny fitakian’ny mpisehatra politika sasany fanemorana izany. Betsaka ny fifidianana efa hita nandeha teto, fa tamin’izao no tena nipetraka ny hoe mangarahara, hoy izy. Vonona hiatrika fifidianana ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina, […]

Transparency International-MG : “Tokony ho fantatra sy hohadihadiana ny volan’ny kandidà”

Fitakiana ny fangaraharan’ny vola ampiasain’ny antoko mandritra ny fifidianana, fampitaovana ireo sampana mpanara-maso ny fampiasam-bola hanatanterahany ny asany… Ireo no anisan’ny tolo-kevitry ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG), teny Antaninarenina, ny faran’ny herinandro teo, ho an’ireo antoko politika sy izay ho kandidà amin’ny fifidianana 2023. Iadiana amin’ny kolikoly mandritra […]

Filoha Rajoelina Andry : “Miara-miasa ny fiangonana katolika (Ekar) sy ny fitondrana”

Napetraka, omaly, ny arseveka vaovao an’ny diosezin’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Niatrika izany ny filoha Rajoelina Andry izay nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiangonana katolika. Napetraka tamin’ny fo­mba ofisialy, amin’ny fomba katolika ny arseveka vaovaon’ Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu. Mpino marobe no tonga nanotrona ny lamesa, […]

Ny taky, fitaka…

  Manao fakan-kevitra hatao inona moa ny iraky ny Sadc amin’izao ankatoky ny fifidianana izao? Samy manana ny fijeriny ny tsirairay, arakaraka ny toerana misy azy sy izay kendreny amin’izany. Ny tsy azo lavina, misy antony sy vokany politika avokoa izay lazaina sy atao rehetra. Fifidianana filohan’ny Repoblika no atrehina. […]