Mitohy ny fiofanana tselatra eo amin’ny kabary. Rahampitso 1 aogositra, zoma 4 aogositra ary ny zoma 11 aogositra no hanatanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany izany, etsy Andavamamba. Hianarana amin’izany ireo karazan-kabary fanao amin’ny vaninandro miavaka toy ny tsingerin-taona, asaramanitra, fitokanana isan-karazany. Mahatratra 51 ny isan’ny tarika mpanao hiragasy eto Madagasikara. […]
Mois : juillet 2023
« Tanora fanantenana »: Nahafa-po ny mpijery ny seho teatraly
Notanterahina omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny fampisehoana teatra, notontosain’ny Tropy Antananarivo Teatra, nampitondraina ny lohateny hoe «Tanora Fanantenana». Fotoana iray nanehoan’ity tropy ity ny maha izy azy. Maro ny mpisehatra eo amin’ny teatra eto Madagasikara sy mpankafy izany no tonga nankafy izany. Tanjon’ny hetsika ny hametrahana […]
«Festival Temps Fort Danse»: hiavaka ny hetsika na andiany voalohany aza
Hotanterahina manomboka ny 30 aogositra hatramin’ny 16 septambra 2023, eny amin’ny Institut Française de Madagascar (IFM) Analakely, ny «Festival Temps Fort Danse», andiany voalohany. Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny dihy ity hotanterahina ity. Vondrona sy mpandihy manana ny maha izy azy maro eto Madagasikara no haneho ny fahaiza-manaony sy ny talentany, […]
Kolontsaina sy zavakanto: notokanana ny «Kianjan’ ny hiragasy»
Tsy mba zavakanto tsotra ny hiragasy fa kolontsaina koa. Tsy natao ho fahafinaretan’ny sofina fotsiny fa fitaizana ny taranaka. Ho fampivelarana izany, notokanana, omaly, ny fotodrafitrasa vaovao. «Kianjan’ny hiragasy», io ny anarana nasalotra ilay toerana vaovao fanaovana adin-kiragasy etsy ambadiky ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha. Mahazaka mpijery 700 ity kianja ity, raha […]
Kolontsaina sy fomba amam-panao : manan-kasina eo amin’ny Malagasy ny lamba
Endrika anehoana ny kolontsaina malagasy sy haikanto ary hailaza ny fomba amam-panao sy ny fitafy malagasy. Tsy afa-misaraka amin’ny olona ny lamba, tafiana lamba ny zaza rehefa teraka, mandritra ny fiainany andavanandro ary amin’ ny andro hahafatesany. «Tsy miala ary tsy misaraka amin’ny olona ny lamba na eo aza ny […]




