Notrongisin’ny fiara 4×4 iray ny tambohon’olona iray eny Analamahitsy, afakomaly hariva. Teo amin’ ny sampanan-dalana mivily mankany amin’ny kariera no nitrangan’izany. Nandeha nirimorimo ity fiara ity ka tsy voafehin’ny mpamily intsony. Vokany, nahitana fahasimbana ny lohan’ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria foibe […]
Mois : juillet 2023
Ankaraobato : lehilahy maty notsatohan’ny sakaizany antsy
Nifampikasi-tanana, noleram-badiny antsy ka maty ny lehilahy iray, tetsy Ankaraobato, afakomaly alina. Efa nifamalivaly tamin’ny telefaonina, niafara tamin’ny tsindron’antsy namoizan’aina ny tsy fifankahazoan’ny vehivavy iray sy ny sakaizany, tao amin’ ny fokontany Ankadilalampotsy, kaominina Ankaraobato, ny alin’ny talata 25 jolay teo tamin’ny 7 ora hariva. Rehefa tonga tao an-trano ilay […]
Zava-mahadomelina : dimy lahy nahatrarana rongony
Dimy lahy saron’ny zandary nitondra rongony 12 gony tao Tarasambo, fokontany Marogoro, samy ao anatin’ny kaominina Beanana, distrikan’Ambatondrazaka, ny talata 24 jolay teo. Nanao fisafoana tampoka, nifanehatra tamin’ny roa lahy naneho fihetsika hafahafa ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Beanana. Natao famotorana, nitoroka ny namany sy ny toerana misy ireo […]
Nikasa hanavotra olona voatafika : mpamily taxi maty voatifitry ny jiolahy teo amin’ny lohany
Notifirin’ny jiolahy teo amin’ny lohany ny mpamily taxi iray teny Ankadindratombo, omaly hariva. Hanavotra vehivavy iray tomponandraikitry ny tranombarotra iray voatafika izy, kanjo izao voatifitra izao. Maty tsy tra-drano ny mpamily fiara taxi, 4L, iray teny Ankadindratombo, omaly hariva tamin’ny 7 ora, vokatry ny tifitra nataon’ny jiolahy teo amin’ny lohany. […]




