Mois : juillet 2023

Ramavoarihanjasoa Hélinah : “Andao isika mba hijery ny vahoaka sahirana”

Difotry ny politika? Latsaka ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka amin’izao. Mano­loana izany, miantso ny fijerena ny vahoaka sahirana ny filoha mpanorina ny fikambanana “Ny Hasin’ny Fifankatiavana”, Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah. “Andao isika mba hijery ireo vahoaka sahirana”, hoy ny filoha mpanorina ny fikambanana “Ny Hasin’ny Fifankatiavana”, Ramavoarihanjasoa Hasinanirina Hélinah, manoloana […]

TARATRY ny KANTO

Hotokanana ny alahady 30 jolay izao ny “Kianjan’ny Hiragasy”. Fotodrafitrasa nampanantenain’ny minisiteran’ny Serasera izy ity, etsy Ampefi­loha, ambadiky ny Tranombokim-pirenena. Hanom­boka amin’ny 1 ora tolakandro ary hofaranana amin’ny ady hiragasy hifanandrinan-dRapaulson Fenoarivo Gara sy Ratovoelson Etienne Ambatonapoaka ny lanonana. Andiany fahefatra ny atrikasa sy fiofanana karakarain’ny vondrona “Valihan’Ikaky”, amin’ny sabotsy […]

« Antsika Hisôma VAKANSY » : hahazo tombony ny ankizy

Tanterahina, eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, manomboka ny 7 aogositra 2023, ny «Antsika Hisôma VAKANSY». Hetsika karakarain’ny IKM, hampahafantarana sy hampilalaovana ny ankizy ny kilalao malagasy, indrindra amin’izao fialantsasatra izao. Ankoatra ny lalao, hisy koa ny fampianarana asa tanana sy haikanto. Tanjon’ny hetsika ny hitaiza ny ankizy ao […]

Very ny kolontsaina : nanjary sarotra beazina ny Malagasy

Mifamatotra amin’ny kolontsaina ny fanabeazana. Nifampihataka tsikelikely izany ho an’ny Malagasy. Nanako teny amin’ny fiarahamonina ny vokany. Ny zanaka no harena. Ny taranaka no ho dimby… Nanabe o olom-banona ny Malagasy. Anisan’ny fitaovana nentiny hanatanterahina izany sady nanampy azy rahateo ny kolontsaina sy ny zavakanto. Mba hampirindra ny lamina rehetra, […]