Mois : juillet 2023

Production de semences: 22 nouveaux inspecteurs et contrôleurs sur le terrain

L’utilisation de semences améliorées et certifiées, garantit l’amélioration de la qualité des produits et l’augmentation du rendement. Sauf que la chaîne de valeur de production semencière n’est pas à l’abri des fraudes et des contrefaçons, causant d’énormes pertes aussi bien pour les agriculteurs que pour le tissu économique tout entier. […]

Fitateran’entana an-dranomasina : manamafy ny fahaiza-manaony ny APMF

Anisan’ny sehatra mampandroso firenena ny toekarena manga sy ny fiarovana ny tontolo an-dranomasina. Ma­natanteraka atrikasa mandritra ny dimy andro, nanomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma izao ny “Agence portuaire maritime et fluvial” (APMF). Atrikasa momba ny aroloza sy ny fomba fikirakirana ny entana entina ambony sambo. Mampidi-doza avokoa ireo karazan’entana […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 2 000 ny dobo misy fefy mitsingevana manara-penitra hapetraka manerana ny Nosy ho fampitomboana ny famokarana zanatrondro tsara kalitao. Haharitra dimy taona ny tetikasa, izay iarahana amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga sy ny FAO. Vinavinaina hatomboka amin’ny taona 2024. Miisa 118 ny mpanara-maso sy mpitsirika masomboly (contrôleur […]

« Angovo » sy « Talakibe » : tetikasa hampiasana 366 miliara Ar

Kaominina ambanivohitra sy fokontany 130 misy mponina 175 000 no hisitraka ny tetikasa «Angovo”. Hiompana amin’ny fampidirana herinaratra eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny tetikasa ary hiasa any amin’ny faritra Melaky, Menabe, Androy, Atsimo Andrefana, Anosy. Namatsy vola ho fanatanterahana izany ny «Agence française de développement» (AFD) sy ny Vondrona eoropeanina […]

Misavoritaka ny UCTU : kaoperativa 16 amin’ny 45 ihany no nanapaka ny saran-dalana 800 Ar

Fanapahan-kevitra samirery ny an’ny UCTU hampiakatra ho 800 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be amin’ny 1 aogositra. Handray fepetra ny tomponandraiki-panjakana amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Modian’ny Fiombonan’ ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU) tsy fantatra ny lalàna. Voalaza anefa fa tsy maintsy mampahafantatra ny rafitra mahefa ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ny mpitatitra […]