Mois : juillet 2023

Fampirantiana momba ny fiofanana : hahazo vahana ny teknolojia vaovao

Ho maro anisa kokoa ny oniversite mampiofana mom­ba ny informatika sy ny orinasa misehatra amin’izany mandritra ny hetsika fampahafantarana fiofanana sy asa andiany fahafito eny amin’ny AFT Andavamamba. Sehatra mi­roborobo eto amintsika sy maneran-tany ny informatika sy ny teknolojia vaovao ary manana ny toerana eo amin’ny tontolon’ny asa ka entanina […]

INDRAY MIJERY

Tsy niandry! Namoaka ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana efa-bolana, ho an’ny oniversitem-panjakana rehetra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony raha vao nanao fanambarana iraisana ny fikambanan’ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo. Nanomboka ny 24 aogositra ka hatramin’ny faran’ny volana aogositra ny fandoavana ny vola. Voaloa 100% ny tambin-karama nandritra ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC […]

Bakalorea : ampy ny isan’ny mpitsara

Nanomboka omaly ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an’ny bakalorea 2023 teto Antananarivo rehefa vita ny fivoriana nametrahana ny lamina samihafa niarahan’ny mpitsara sy ny “président de jury”. Ampy ny isan’ny mpitsara hisahana ny asa, araka ny nambaran’ny mpitsara iray ao amin’ny taranja Sciences économiques et sociales (SES), ary nizotra tamim-pilaminana […]

Distrikan’Andramasina : Amboarin’ny faritra Analamanga ny lalana 80km

Tsy nofy intsony fa tena hotanterahina ny fanamboaran-dalana any amin’ny distrikan’Andramasina. Efa vonona ny fitaovana rehetra. Mirefy 80 km ny lalana amboarina. Ela ny ela, hamboarina tanteraka ny lalana mampitohy an’Amba­tofotsy hatrany Ambohimia­dana. Horaisin’ny faritra Analamanga ny fanamboarana. Manodidina ny 80 km ny lalana hamboarina izay ezahina hovitaina ao anatin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Hanomboka anio, eny amin’ny Ivontoerana ibeazana ara-kolontsaina Volahasiniaina, eny Ambanidia, ny “Antahkarana” andiany fahasivy. Hetsika iray hiofananana maimaimpoana ho an’ireo liana amin’ny zavamaneno ravaka sy ny valiha izy ity. Hamarana ny “Top 33” ny sehon’i Mirado sy ny Reko Band. Fialamboly ho an’ny mpianakavy, hotontosaina eny amin’ny Oceanis park andakana […]