Hajia, baiboly, fiarakely, «carte postale», sombin-dahatsoratra… Samy angonin-dRakotomalala Rivoniaina avokoa. Efa nisy ny fampirantiana maro notontosainy tao amin’ny Tahala Rarihasina Analakely. Somary nijanona kely izany noho ny fisian’ny valanaretina Covid-19. «Raha tao anatin’ny fotoana maro nanangonako sy nanatanterahako fampirantiana izay, tsapako fa efa liana amin’io ny Malagasy. Efa maro ny […]
Mois : juillet 2023
Haino aman-jery : entanina ireo manana vakoka
Kely sisa dia hisokatra ny “Havoria”, lay fotodrafitrasa maoderina sy goavana, etsy amin’ny foiben’ny Ofisin’ny radio sy fahitalavi-pirenena (ORTM) Anosy. Ankoatra ny “auditorium”, hisy mozea ho an’ny haino aman-jery ao anatin’ity toerana ity. Natao hampirantina ireo vakoka mba hampahafantarana ny tantaran’ny haino aman-jery teto Madagasikara izy io. Mba hahafeno ny […]
“Festival Ateliers de Musique”: hisy ny fampianarana zavamaneno maimaimpoana
Manana anjara toerana eo amin’ny fanabeazana ny zavakanto, indrindra ny mozika. Izany indrindra no nanaovana izao hetsika lehibe izao ho fitaizana, indrindra ho an’ny ankizy sy ny tanora, ao anatin’izao fialantsasatra izao. Tanterahina anio, ary hitohy ny 28 sy 29 jolay 2023, ny «Festival Ateliers de Musique» andiany faharoa, manerana […]
Angovo eto Madagasikara : manodidina ny 15 % monja ny mponina mahazo herinaratra
Anisan’ny singa iray andrefesana ny fampandrosoana ny herinaratra misy eo amin’ny firenena iray. Eto Madagasikara, mbola ny herinaratra mandeha amin’ny solika mavesatra ny 60 %. Hatramin’izay, ny tinady amin’ny herinaratra no betsaka no ho ny tolotra eto Madagasikara, indrindra fa any ambanivohitra. Vahaolana, ny famokarana angovo azo havaozina, saingy mbola ambany loatra. 15% […]
FANTINA sy FINTINA
Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ireo filoham-pirenena momba ny “Capital humain en Afrique”, any Tanzania, nanomboka omaly ary hifarana anio, ny filoha Andry Rajoelina. Handaha-teny momba ny “Fampandrosoana ny traikefan’ny tanora hiantohana ny ahafahan’izy ireo miasa” izy, anio. Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-67 taonany i Seva Ambony Simon. Tale jeneralin’ny ORTM teo […]




